Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpaminany an’i Kristy

Laharana 907 amin’ny Katesizy

“Araka ny adidy, ny fahaizana manokana ary ny laza izay ananan’izy ireo, dia manana zo izy ireo ary indraindray aza manana adidy hanome ny hevitr’izy ireo amin’ny Mpiandry ondry voahosotra, ny amin’izay mahakasika ny soa ho an’ny Fiangonana sy ny mampahalala izany amin’ny mpino hafa,  amin’ny faharetana miaro ny fahamarinana tsy misy tomika ny finoana sy ny fomba fiainana amam-pitondran-tena ary ny fanajana tokony hatao amin’ireo mpiandry ondry, sy amin’ny fiheverana ny tombon-tsoa iombonana sy ny fahamendrehan’ny olona”[443].

Loharano ôfisialy ↗