Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 881 Ny fiombonam-piadidiana maha-eveka sy ny filohany, ny Papa Ny Tompo no nanao an’i Simôna irery, izay nomeny anarana hoe Piera, ho vatolampin’ny Fiangonany. Tamin’izany no nanomezany azy ny fanalahidy [396] ; Izy no nametraka azy ho mpiandry ny andian’ondry manontolo …
  2. 882 Ny fiombonam-piadidiana maha-eveka sy ny filohany, ny Papa Ny Papa , Evekan’i Rôma sy dimbin’i Md Piera, “no fototra maharitra sy hita maso ary fanorenana ny firaisana izay manakambana azy ireo amin’ny samy izy ireo, na Eveka, na ny mpino …
  3. 883 Ny fiombonam-piadidiana maha-eveka sy ny filohany, ny Papa “ Ny fiombonam-piadidiana na vondron’ny maha-eveka , dia tsy manana fahefana raha tsy fantatra fa tena mikambana amin’ny Evekan’i Rôma, amin’ny maha-filohany azy. Tahaka izany, io fiombonam-piadidiana io, no “fototry ny fahefana …
  4. 884 Ny fiombonam-piadidiana maha-eveka sy ny filohany, ny Papa “Ny Fiombonam-piadidian’ireo Eveka dia mampiasa ny fahefana eo amin’ny Fiangonana manontolo amin’ny fomba manetriketrika ao amin’ny Kônsily Ekiomenika” [402] . “Tsy misy ny Kônsily Ekiomenika raha toa ka tsy nohamafisin’ny dimbin’i Piera …
  5. 885 Ny fiombonam-piadidiana maha-eveka sy ny filohany, ny Papa “Amin’ny maha-fitambaran’olona maro karazana azy, io fiombonam-piadidiana io no mampiseho ny maha-samihafa sy ny maha-manerana ny tany tontolo ny Vahoakan’Andriamanitra ; izy no mampiseho, amin’ny alalan’ny famoriany ho eo ambanin’ny filoha iray …
  6. 886 Ny fiombonam-piadidiana maha-eveka sy ny filohany, ny Papa “Ireo Eveka , araka ny anjara asany avy, no fototra sy fanorenana ny firaisana ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana iandraiketan’izy ireo” [405] . Araka izany no “ampiasan’izy ireo ny fahefana maha-mpiandry ondry …
  7. 887 Ny fiombonam-piadidiana maha-eveka sy ny filohany, ny Papa Ny Fiangonana eo an-toerana mifanakaiky sy mitovy kolontsaina no mitambatra ho fari-piadidiam-piangonana na vondrom-paritra midadasika antsoina hoe patriarkà na faritany [410] . Ny Eveka amin’ireo vondrom-paritra ireo dia afaka mivory amin’ny sinôda …
  8. 888 Ny adidy aman’andraikitra hampianatra Ny Eveka, miaraka amin’ny Pretra, mpiara-miasa aminy, “dia manana ho voalohan-dahasa hitory ny Evanjelin’Andriamanitra amin’ny olombelona rehetra” [412] , araka ny baikon’ny Tompo [413] . Izy ireo no “mpanao antso avo ny …
  9. 889 Ny adidy aman’andraikitra hampianatra Mba hitazonana ny Fiangonana ao anatin’ny finoana madio tsy misy fahony nampitain’ny apôstôly, dia sitrak’i Kristy ny nanome ny Fiangonany ny fandraisana anjara amin’ny tsy feteza-mandiso momba ny fampianarana ananan’ny tenany, Izy …
  10. 890 Ny adidy aman’andraikitra hampianatra Ny anton-draharaha ny Toniam-pampianarana dia mifamatotra amin’ny toetra raikitry ny fanekem-pihavanana naorin’Andriamanitra ao amin’i Kristy miaraka amin’ny Vahoakany ; izy no tsy maintsy miaro azy amin’ny fivaonan-kevitra sy amin’ny faharerahan-tsaina, ary miantoka …
  11. 891 Ny adidy aman’andraikitra hampianatra “Izany tsy feteza-mandiso momba ny fampianarana izany, dia ananan’ny Evekan’i Rôma, filohan’ny fiombonam-piadidian’ireo Eveka, ary ampiasainy rahefa manambara, amin’ny raki-tsoratra raikitra, lafim-pitambaram-pampianarana iray mahakasika ny finoana sy ny fomba fiainana amam-pitondran-tena izy, …
  12. 892 Ny adidy aman’andraikitra hampianatra Ny fanampian’Andriamanitra dia mbola nomena koa an’ireo dimbin’ny apôstôly, miaraka amin’ny dimbin’i Piera, rahefa mampianatra izy ireo, sy, amin’ny fomba manokana ho an’ny Evekan’i Rôma, Mpitondra ny Fiangonana manontolo, raha manolotra fampianarana …
  13. 893 Ny adidy aman’andraikitra hanamasina Ny Eveka dia miantsoroka koa “ny fiandraiketana hizara ny fahasoavana amin’ny maha-mpisorona fara tampony” [421] , indrindra amin’ny Eokaristia izay atolotry ny tenany na izay iantohany amin’ny fanatitry ny Pretra, mpiara-miasa aminy. …
  14. 894 Ny adidy aman’andraikitra hitondra “Ireo Eveka no mitantana ny Fiangonan’izy ireo eo an-toerana toy ny vikera sy masoivohon’i Kristy amin’ny alalan’ny torohevitr’izy ireo, ny fandrisihan’izy ireo, ny oha-piainan’izy ireo, nefa koa amin’ny alalan’ny fahefan’izy ireo sy …
  15. 895 Ny adidy aman’andraikitra hitondra “Io fahefana izay iantsorohan’ny tenan’izy ireo mihitsy amin’ny anaran’i Kristy io dia fahefana azy manokana, ara-dalàna ary eo no eo mivantana : na izany aza, ny fampiharany izany dia miankina amin’ny fandaminana …
  16. 896 Ny adidy aman’andraikitra hitondra Ny Mpiandry ondry tsara no ho môdely sy “endriky” ny fiadidian’ny maha-mpiandry ondry ny Eveka. Amin’ny fahatsapany ny fahalemeny “ny Eveka no afaka miseho ho be indrafo manoloana ireo tsy mahalala sy …
  17. 897 II. Ny mpino lahika “Ny antsoina hoe lahika eto, dia ny kristianina ankapobeny afa-tsy ireo mpikambana ao amin’ny filaharana masina sy ny fiainan-drelijiozy ankatoavin’ny Fiangonana, izany hoe ny kristianina, izay voakambana amin’i Kristy tamin’ny Batemy, tafiditra …
  18. 898 Ny fiantsoana ny lahika “Ny fiantsoana manokana ny lahika dia mifototra amin’ny fikatsahana ny fanjakan’ Andriamanitra, indrindra amin’ny fiandraiketam-pitantanana ny zavatra ara-nofo eto tany izay alamin’izy ireo araka an’Andriamanitra (…). Anjaran’izy ireo, amin’ny fomba manokana, ny …
  19. 899 Ny fiantsoana ny lahika Ny fahaiza-misanta-javatra eo amin’ny kristianina lahika dia ilaina manokana raha hahitana zava-baovao, hamoronana fomba hoenti-mamonto ny zava-misy ara-tsôsialy, ara-pôlitika, ara-piharian-karena, araka izay fitakian’ny fitambaram-pampianarana sy ny fiainana kristianina. Izany fahaiza-misanta-javatra izany dia …
  20. 900 Ny fiantsoana ny lahika Satria, toy ny mpino rehetra, ireo lahika nampiandraiketin’Andriamanitra apôstôlà noho ny Batemy sy ny Fankaherezana, dia manana adidy sy manana zo, mandeha tsirairay na mivondrona amin’ny fikambanana, hiasa mba ho fantatra sy …