Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpanjaka an’i Kristy
Laharana 912 amin’ny Katesizy
Ny mpino dia tokony “hanavaka amim-pitandremana ny zo amin’ny adidy izay iantsorohan’izy ireo amin’ny maha-rantsambatan’ny Fiangonana azy ireo, sy izay tandrifin’izy ireo araka ny maha-olon’ny fiaraha-monina azy ireo. Aoka izy ireo hiezaka hampifandrindra an’ireny amin’ny samy izy ireny, amin’ny fahatsiarovan-tena fa ny kônsiansy kristianina no tokony ho mpitari-dalana azy ireo amin’ny sehatra rehetra misy amin’izao fiainana ara-nofo eto an-tany izao, satria tsy misy na iray aza asa fanaon’olombelona, amin’ny maha-ara-nofo izany, ho azo esorina amin’ny fahefan’ Andriamanitra”[456].