Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpanjaka an’i Kristy

Laharana 911 amin’ny Katesizy

Ao amin’ny Fiangonana, “ny mpino lahika dia afaka mifarimbona araka ny lalàna  manan-kery amin’ny fampiasana ny fahefam-pitondrana”[449]. Tahaka izany ny fisian’izy ireo ao amin’ny Filan-kevitra manokana[450], ny Sinôdan’ny diôsezy[451], ny Filan-kevitra pastôraly[452]; amin’ny fampiasana ny fiandraiketana pastôralin’ny paroasy[453]; ny fiaraha-miasa amin’ny Filan-kevitra momba ny raharaha ara-piharian-karena[454]; ny fandraisana anjara amin’ny  tribonalim-piangonana[455], sns.

Loharano ôfisialy ↗