Torohevitry ny Evanjely, fanokanam-piainana
Laharana 916 amin’ny Katesizy
Amin’izany ny toetran’ny fanokanam-piainana no hita fa iray amin’ireo fomba ahalalana ny fanokanana “lalina indrindra”, izay miorim-paka amin’ ny Batemy sy atokana manontolo ho an’Andriamanitra[460]. Ny kendren’ny mpinon’i Kristy amin’ny fanokanam-piainana, eo ambany fanentanan’ny Fanahy Masina, dia ny hanaraka an’i Kristy akaikikaiky kokoa, ny hanolo-tena amin’Andriamanitra tiany mihoatra noho ny zavatra rehetra, ary eo am-pikatsahana ny fahalavorariam-pitiavana hanompo ny Fanjakan’ Andriamanitra, dia ny hampahafantatra sy hitory ao amin’ny Fiangonana ny voninahitry ny tontolo ho avy[461].