Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpisorona an’i Kristy
Laharana 901 amin’ny Katesizy
“Ny lahika, noho ny fanokanana azy ireo amin’i Kristy sy noho ny fanosoran’ny Fanahy Masina, dia nandray ny antso mampitolagaga sy ny fomba izay mamela ny Fanahy hitera-bokatra bebe kokoa hatrany ao amin’izy ireo. Satria, izay rehetra raharahan’izy ireo, fivavahan’izy ireo sy asan’apôstôly ataon’izy ireo, fiainan’izy ireo ao an-tokantrano sy ao amin’ny fianakaviana, asa mafy ataon’izy ireo isan’ andro, fialam-bolin’izy ireo ara-tsaina sy ara-batana, raha iainan’izy ireo amin’ny Fanahin’Andriamanitra, ary na dia ireo sedra-piainana aza, raha toa ka zakaina amim-paharetana, dia manjary “fanati-panahy ankasitrahan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy” (1 Pi 2,5) izany rehetra izany ; ary amin’ny fankalazana ny Eokaristia, ireny fanatitra ireny dia akambana amin’ny fanolorana ny Vatan’ny Tompo mba hatolotra amim-pitiavam-bavaka manontolo amin’ny Ray. Dia toy izany no anokanan’ny lahika an’izao tontolo izao ho an’Andriamanitra, amin’ny fanaovana vavaka fitsaohana an’Andriamanitra, na aiza na aiza, ao anatin’ny fahamasinam-piainan’izy ireo”[432].