I. “Mitovy endrika amin’Andriamanitra”
Laharana 356 amin’ny Katesizy
Amin’ny zavaboary rehetra hita maso, ny olombelona irery no “afaka mahalala sy mitia ny Mpahary azy”[230]; izy no “hany zavaboary eto an-tany izay sitrak’Andriamanitra ho azy tenany ihany”[231]; izy irery no voantso hiombona anjara amin’ny fiainan’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fahalalana sy ny fitiavana. Ho amin’izany tanjom-piafaràna izany no nahariana azy, ary ao amin’izany ny antony lehibe indrindra amin’ny fahamendrehany :
Inona moa ny antony nanokanana ny olombelona ho amin’izany fahamendrehana lehibe izany ? Ny fitiavana tsy voavidim-bola izay avy amin’izany no nijerenao ny zavaboarinao tao amin’ny Tenanao ihany, ary raiki-pitia taminy Ianao ; satria tamim-pitiavana no naharianao azy, tamim-pitiavana no nanomezanao azy fahafahana hankafy ny Soa mandrakizay avy Aminao [232].