II. Ny tontolo hita maso

Laharana 346 amin’ny Katesizy

Tamin’ny fahariana Andriamanitra dia nametraka fototra sy lalàna izay maharitra ho mafy orina[224], ka eo ambonin’izany no hahafahan’ny mpino miankina amim-pitokiana, ary ho famantarana sy ho antoky ny fahamarinan’ ny fanekem-pihavanana tsy voahozongozona ataon’Andriamanitra[225]. Etsy an-kilany, ny olombelona tokony haharitra tsy hivadika amin’io fototra io, ary hanaja ny lalàna izay nosoritan’ny Mpahary ao amin’izany.

Loharano ôfisialy ↗