Paragrafy 6. Ny olombelona

Laharana 355 amin’ny Katesizy

“Andriamanitra  nahary ny olombelona mitovy endrika Aminy, mitovy endrika amin’Andriamanitra  no nahariany azy, ary nataony lehilahy sy vehivavy izy ireo” (Jen 1,27). Mitana toerana manokana eo amin’ny fahariana, ny olombelona : “mitovy endrika amin’Andriamanitra” izy (I) ; amin’ny fomba aman-toetrany manokana dia manakambana ny tontolo ara-panahy sy ny tontolo ara-batana izy (II);  noarìna ho “lehilahy sy vehivavy” izy (III) ; nametraka azy ao amin’ny fitiavany Andriamanitra (IV).

Loharano ôfisialy ↗