I. “Mitovy endrika amin’Andriamanitra”
Laharana 360 amin’ny Katesizy
Noho ny fiombonana hatrany am-piandohana, dia miforona ho iray ny taranak’olombelona rehetra. Satria Andriamanitra “namoaka avy amin’ny fototra iray ny taranak’olombelona rehetra” (Asa 17,26)[237] :
Fahitana mahatalanjona no mahatonga antsika hibanjina ny olombelona manontolo ao anatin’ny firaisan’ny fiandohany ao amin’Andriamanitra (…) ; ao anatin’ny firaisan’ny fomba aman-toetrany, itambaran’ny vatana sy ny fanahy maha-olona, izay mitovy ao amin’ny rehetra ; ao anatin’ny firaisan’ny zava-kendreny mivantana sy ny fanirahana azy eo amin’izao tontolo izao ; ao anatin’ny firaisam-ponenany : ny tany, ny harena rehetra avy aminy, izay ny olona rehetra, noho ny zo voa-Janahary, dia afaka mampiasa mba hanampy sy hampivelatra ny fiainany ; ao anatin’ny firaisan’ny tanjom-piafaràny mihoatra ny natoraly : Andriamanitra rahateo ihany, izay Aminy no tsy maintsy kendren’ny rehetra ; ao anatin’ny firaisan’ny fomba amam-pitaovana mba hahatratrarana io tanjom-piafaràna io ; (…) ao anatin’ny firaisan’ny fanavotana azy, nataon’i Kristy ho an’ny rehetra[238].