II. Ny tontolo hita maso

Laharana 347 amin’ny Katesizy

Novitaina mba ho amin’ny Sabata ny fahariana, ka noho izany ho amin’ny fanompoam-pivavahana sy ny fitsaohana an’Andriamanitra. Voasoratra araka ny lalànan’ny fahariana[226] ny fanompoam-pivavahana. “Aoka tsy hisy na inona na inona ho tiana mihoatra noho ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny fivavahana ”, hoy ny fitsipik’i Md Benoît[227], manoro araka izany ny fandaminana marina ny ahiahin’ny olombelona.

Loharano ôfisialy ↗