Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 321 Ny fitahian’Andriamanitra sy ny fanafintohinan’ny ratsy Ny Fitahian’Andriamanitra, dia tsy inona fa ny fandaharana amam-pandaminana izay itondrany amim-pahendrena sy amim-pitiavana ny zavaboary rehetra hatrany amin’ny tanjom-piafaràn’izy ireo.
  2. 322 Ny fitahian’Andriamanitra sy ny fanafintohinan’ny ratsy Taomin’i Kristy isika ho amin’ny fahatokian-janaka amin’ny fitahian’ ny Raintsika any an-danitra [176] , ary averin’i Md Piera apôstôly izany : “ Ankino Aminy ny tebitebinareo rehetra, fa Izy no miahy anareo …
  3. 323 Ny fitahian’Andriamanitra sy ny fanafintohinan’ny ratsy Miasa amin’ny asa amam-pihetsiky ny zavaboary koa ny fitahian’ Andriamanitra. Omen’Andriamanitra fahazoana miara-miasa an-kalalahana amin’ny fandaharany ny olombelona.
  4. 324 Ny fitahian’Andriamanitra sy ny fanafintohinan’ny ratsy Ny famelan’Andriamanitra hisian’ny haratsiam-batana sy ny haratsian-tsaina amam-panahy, dia mistery izay hazavainy amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy, Zanany, maty sy nitsangan-ko velona, mba handresy ny ratsy. Ny finoana no manome antsika ny fitokiana marina …
  5. 325 Paragrafy 5. Ny lanitra sy ny tany Manambara ampahibemaso ny Sembolin’ny apôstôly fa Andriamanitra no “Mpahary ny lanitra sy ny tany” [178] , ary milaza mazava ny Sembolin’i Nicée-Constantinople fa : “… ny tontolon’ny zava-drehetra na ny hita maso …
  6. 326 Paragrafy 5. Ny lanitra sy ny tany Ao amin’ny Soratra Masina, ny fomba fiteny hoe : “lanitra sy tany” dia midika hoe izay rehetra misy, ny voary manontolo. Enti-manondro ny fifandraisana ao anatin’ny voary izay sady mampikambana no mampiavaka …
  7. 327 Paragrafy 5. Ny lanitra sy ny tany Ny fiekem-pinoan’i Kônsily fahefatra tao Latran dia manamafy fa Andriamanitra, “hatrany am-piandohan’ny fotoana, no nahary indray miaraka ny samy voary, avy amin’ny tsy misy, na ny voary ara-panahy na ny voary ara-batana, …
  8. 328 Ny fisian’ny anjely – fahamarinam-pinoana Ny fisian’ny zavaboary fanahy, tsy manam-batana, izay antsoin’ny Soratra Masina amin’ny fiteny mahazatra hoe anjely, dia fahamarinam-pinoana. Sady mazava ny fanambaràn’ny Soratra Masina sy ny firaisan-kevitry ny Lovam-pampianarana momba izany.
  9. 329 Iza moa izy ireo ? I Md Augustin dia milaza ny momba azy ireo : ny hoe “Anjely” dia enti-manondro ny asa fa tsy ny toetra maha-izy. Manontany ianao hoe ahoana no iantsoana io toetra maha-izy io …
  10. 330 Iza moa izy ireo ? Amin’ny maha-voary fanahy fotsiny azy ireo, dia ananany ny saina aman-tsitrapo : zavaboary manana ny maha-izy azy manokana izy ireo [185] ary tsy mety maty [186] . Ihoaran’izy ireo amin’ny fahalavorariana ny …
  11. 331 I Kristy “miaraka amin’ny anjeliny rehetra” I Kristy no foiben’ny tontolon’ny anjely, izay Azy : “Rahefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’olona hotronin’ny anjeliny rehetra …” (Mt 25,31). Azy izy ireo satria noarìna tamin’ny alalany sy ho Azy : …
  12. 332 I Kristy “miaraka amin’ny anjeliny rehetra” Teo izy ireo, nanomboka tamin’ny fahariana [188] sy tamin’ny tantaram-pamonjena manontolo, nanambara mialoha lavitra na akaiky io famonjena io sy nampiasa ny fandaharan’Andriamanitra tamin’ny fanatanterahana izany : nanidy ny varavaran’ny paradisa an-tany …
  13. 333 I Kristy “miaraka amin’ny anjeliny rehetra” Manomboka amin’ny Fahatongavana ho nofo ka hatramin’ny Fiakarana any an-danitra, mambomba ny fiainan’ny Teny tonga Nofo ny fitsaohan’ny anjely sy ny fanompoany. Nony “nampiditra ny Lahimatoany teo amin’izao tontolo izao Andriamanitra, dia …
  14. 334 Ny anjely eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana Hatreto ka hatrany, ny fiainan’ny Fiangonana manontolo no mahazo tombon-tsoa avy amin’ny fanampiana mifono mistery sy mahery ataon’ny anjely [208] .
  15. 335 Ny anjely eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana Ny Fiangonana, amin’ny litorziany, dia miaraka amin’ny anjely mba hidera sy hankalaza an’Andriamanitra amin’ilay antsa manao hoe : Masina, masina, masina …(Vavaka Eokaristika) ; mitalaho ny fanampian’izy ireo izy (tahaka izany ao …
  16. 336 Ny anjely eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana Amin’ny fanombohan’ (fisian’)ny fiainana [211] ka hatramin’ny fahafatesana [212] , dia mambomba ny fiainan’ny olombelona ny fiambenan’izy ireo [213] sy ny fanelanelanan’izy ireo [214] . “Samy manana anjely iray ho mpiaro sy …
  17. 337 II. Ny tontolo hita maso Ny Tenan’Izy Andriamanitra rahateo ihany no nahary ny tontolo hita maso araka ny hareny manontolo, ny maha-samihafa azy ary ny filaminany. Asehon’ny Soratra an’ohatra ny tsanganasan’ny Mpahary ho toy ny fitohizan’ny andro …
  18. 338 II. Ny tontolo hita maso Tsy misy na inona na inona raha tsy Andriamanitra Mpahary no mampisy azy . Nanomboka izao tontolo izao rahefa navoakan’ny Tenin’Andriamanitra avy amin’ny tsy misy ; ny zavatra rehetra misy, ny voary …
  19. 339 II. Ny tontolo hita maso Samy manana ny hatsarany sy ny fahalavorariany manokana avy ny voary isanisany . Ho an’ireo tsanganasa tsirairay noarìna tao anatin’ny “henemana”, dia voalaza hoe : “Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.” “Amin’ny fahariana …
  20. 340 II. Ny tontolo hita maso Sitrak’Andriamanitra ny fifampiankinan’ny zavaboary . Ny masoandro sy ny volana, ny sedera sy ny voninkazo kely, ny voromahery sy ny fody : ny fahitana ny hamaroan’ny karazana sy ny tsy fitovian’izy ireo …