II. Ny tontolo hita maso
Laharana 344 amin’ny Katesizy
Misy fifarimbonana eo amin’ny voary rehetra noho izy ireo manana Mpahary iray ihany, sy noho izy rehetra nalahatra ho amin’ny voninahiny :
Ho deraina anie Ianao, ry Tompo, amin’ny voarinao rehetra
indrindra amin’ingahy Masoandro rahalahy,
izay taminy no nanomezanao anay ny hazavana amin’ny antoandro
tsara izy, mamoaka tara-pahazavana manjelanjelatra aok’izany,
ary avy aminao, ilay Avo Indrindra, no anolorany anay izany amin’ny sary an’ohatra ….
Ho deraina anie Ianao, ry Tompoko, noho i Rano anabavy,
izay tena mahasoa sy tena manetry tena,
sarobidy sy madio fitiavana…
Ho deraina anie Ianao, ry Tompoko, noho i Tany anabavy sady reninay
izay mitondra anay sy mamelona anay,
izay mamokatra voankazo isan-karazany
miaraka amin’ny voninkazo maro loko sy ny ahitra…
Miderà sy mankalazà ny Tompoko ianareo
isaory Izy ary manompoa Azy
amim-panetren-tena tanteraka[223].