Fiangonana
Laharana 123
- 808 Ireo fanomezam-pahasoavana Vadin’i Kristy ny Fiangonana : tia azy Izy ary nanolo-tena mba ho azy. Nodioviny tamin’ny rany izy. Nataony Reny niteraka ny zanak’ Andriamanitra rehetra izy.
- 809 Ireo fanomezam-pahasoavana Tempolin’ny Fanahy Masina ny Fiangonana. Ny Fanahy Masina no toy ny fanahin’ny Vatana-Mistika, fototry ny ainy sy ny firaisany ao anatin’ny faha-samihafa ary fototry ny habetsahan’ny fanomezany mbamin’ny fanomezam-pahasoavany.
- 810 Ireo fanomezam-pahasoavana “ Araka izany, ny Fiangonana manerana ny tany tontolo dia hita fa "ilay Vahoaka izay misintona ny maha-iray azy avy amin’ny maha-iray an’ Andriamanitra Ray sy Zanaka sy Fanahy Masina " [254] …
- 811 Paragrafy 3. Iray, masina, katôlika ary apôstôlika ny Fiangonana “Izany no hany Fiangonan’i Kristy, izay ambarantsika ampahibemaso ao amin’ny semboly fa hoe iray, masina, katôlika ary apôstôlika” [255] . Manondro ny soritsoritry ny toetra lehibe indrindra maha-Fiangonana ny Fiangonana sy ny …
- 812 Paragrafy 3. Iray, masina, katôlika ary apôstôlika ny Fiangonana Ny finoana irery ihany no ahafahana mankato fa avy amin’Andriamanitra ny loharano nahazoan’ny Fiangonana an’ireo toetra manokana ireo. Kanefa ny fisehoan’ireo teo amin’ny tantara dia famantarana miharihary koa ho an’ny sain’olombelona. “Ny …
- 823 II. Masina ny Fiangonana “Ny Fiangonana (…) dia masina amin’ny fomba maharitra lalandava eo imason’ny finoana. Satria i Kristy, Zanak’Andriamanitra, izay ankalazaina, miaraka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina, ho “hany Masina”, dia tia ny Fiangonana …
- 824 II. Masina ny Fiangonana Ny Fiangonana, miray amin’i Kristy, dia nohamasinin’ny Tenany ; amin’ny alalany sy ao Aminy dia manjary mahamasina koa izy. “Ny tanjona iafaran’ny tsanganasa rehetra ataon’ny Fiangonana dia ny fanamasinana ny olombelona ao …
- 825 II. Masina ny Fiangonana “ Efa miravaka fahamasinana tena izy, ny Fiangonana, eto an-tany, na mbola tsy lavorary aza” [292] . Mbola ezahina ho azo, ao amin’ireo rantsambatany, ny fahamasinana lavorary : “Manoloana ny habetsahana sy …
- 826 II. Masina ny Fiangonana Ny fifankatiavana no aina mamelona ny fahamasinana izay iantsoana ny olon-drehetra : “Izy no mitarika ny fitaovam-panamasinana rehetra, manome an’ireo ny ain’izy ireo sy mitondra an’ireo amin’ny tanjom-piafaràn’izy ireo” [294] : Azoko …
- 827 II. Masina ny Fiangonana “Noho i Kristy masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, tsy tonga afa-tsy mba hanonitra ny fahotan’ny vahoaka, dia tsy nahalala ota; ny Fiangonana kosa, izay misy mpanota ao aminy, dia sady masina …
- 828 II. Masina ny Fiangonana Amin’ny fananganana ho olomasina ireo mpino sasantsasany, izany hoe amin’ny fanambaràna manetriketrika fa ireny mpino ireny dia nampiasa ny hatsaram-panahy tamin-kerim-po sy niaina tamim-pitokiana ny fahasoavan’Andriamanitra, no ahatsapan’ny Fiangonana ny herin’ny Fanahin’ny …
- 829 II. Masina ny Fiangonana “Ao amin’ny tenan’ilay Virjiny sambatra ny Fiangonana no efa mahatratra sahady ny fahalavorariana izay mahatonga azy ho tsy misy panda na kentrona. Ireo mpinon’i Kristy, dia mbola mikely aina mba hitombo fahamasinana, …
- 830 III. Katôlika ny Fiangonana Ny teny hoe “katôlika dia midika hoe “manerana ny tany tontolo” amin’ny hevitra hoe “maha-fitambarana manontolo” na “maha-fahafenoana manontolo”. Katôlika ny Fiangonana amin’ireto hevitra anankiroa ireto : Katôlika izy satria ao aminy …
- 831 III. Katôlika ny Fiangonana Katôlika izy satria nirahin’i Kristy hampiely ny finoana manerana ny tontolom-piainan’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka [308] : Voantso ho anisan’ny Vahoakan’Andriamanitra ny olombelona rehetra. Noho izany io Vahoaka io , izay maharitra …
- 832 III. Katôlika ny Fiangonana “Ny Fiangonan’i Kristy dia hita marina tokoa ao amin’ireo vondron’ny mpino rehetra ara-dalàna eo an-toerana, miray amin’ireo mpitondra azy, izay nandray ny anarana hoe Fiangonana, ao amin’ny Testamenta Vaovao (…). Ao amin’izy …
- 833 III. Katôlika ny Fiangonana Ny antsoina hoe Fiangonana eo an-toerana, izay tsy inona fa ny diôsezy (na faritanim-piangonana), dia ankohonan’ireo mpino kristianina miombona ao amin’ny finoana sy ny sakramenta miaraka amin’ny Evekan’izy ireo nohamasinina tao anatin’ny …
- 834 III. Katôlika ny Fiangonana Ny Fiangonana eo an-toerana dia katôlika manontolo amin’ny alalan’ny fiombonana amin’ilay anankiray amin’ny samy izy ireo, dia ny Fiangonan’i Rôma “ izay mitondra ho amin’ny fifankatiavana” [313] . “Satria, miaraka amin’io Fiangonana …
- 835 III. Katôlika ny Fiangonana “Ny Fiangonana manerana ny tany tontolo dia tsy tokony hoferana ho toy ny fitambarana tsotra na vondrom-Piangonana eo an-toerana. Fa ambonin’izany ny Fiangonana, manerana ny tany tontolo noho ny fiantsoana sy ny …
- 836 Iza no anisan’ny Fiangonana katôlika ? “Ho amin’ny firaisana katôlikan’ny Vahoakan’Andriamanitra (…) no iantsoana ny olombelona rehetra ; ao amin’io firaisana amin’ny endrika samihafa na andaminany azy io, ny mpino katôlika, sy ireo hafa izay manana finoana ao …
- 837 Iza no anisan’ny Fiangonana katôlika ? “Ny tafiditra ho mpikambana manontolo ao amin’ny fikambanana, izay tsy inona fa ny Fiangonana, dia ireo izay manana ny Fanahin’i Kristy, ka manaiky manontolo ny rafi-pandaminany sy ny fitaovam-pamonjena rehetra naorina ao …
- 838 Iza no anisan’ny Fiangonana katôlika ? “Miaraka amin’ireo izay mitondra ny anarana mendrika hoe kristianina, amin’ny fahavitany batemy, kanefa tsy manaiky manontolo ny finoana na tsy mitandrina ny firaisam-piombonana amin’ny dimbin’i Piera, no ahaizan’ny Fiangonana miray amin’izy ireny …
- 839 Ny Fiangonana sy ny tsy kristianina “Ireo tsy mbola nandray ny Vaovao Mahafaly, amin’ny endriny maro samihafa, dia natao koa ho anisan’ny Vahoakan’Andriamanitra” [323] : Ny fifandraisan’ny Fiangonana amin’ny Vahoaka Jody. Ny Fiangonana, Vahoakan’ Andriamanitra ao amin’ny Fanekem-pihavanana …
- 840 Ny Fiangonana sy ny tsy kristianina Ankoatr’izany, rahefa dinihina ny hoavy, ny Vahoakan’Andriamanitra tao amin’ ny Fanekem-pihavanana Taloha sy ny Vahoaka vaovao an’Andriamanitra dia mikendry tanjona mitovy : ny fiandrasana ny fahatongavan’ny Mesia (na ny fiverenany indray). Ny …
- 841 Ny Fiangonana sy ny tsy kristianina Ny fifandraisan’ny Fiangonana amin’ny Silamo . “Ny fandaharam-pamonjena, dia natao hiarovana ihany koa ireo izay miaiky ny Mpahary, ka voalohany amin’izany ny silamo izay manambara ampahibemaso fa mitana ny finoan’i Abrahama, mitsaoka …
- 842 Ny Fiangonana sy ny tsy kristianina Ny fifamatoran’ny Fiangonana amin’ireo antokom-pinoana tsy kristianina dia voalohany, ny an’ny fiandohana sy ny fiafarana iombonan’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka : Satria, ny firenena rehetra dia mitambatra ho fiombonana tokana ihany ; …
- 843 Ny Fiangonana sy ny tsy kristianina Fantatry ny Fiangonana ao amin’ireo antokom-pinoana hafa ny fikatsahana, “mbola manjavozavo sy amin’ny sary an’ohatra”, an’Andriamanitra tsy fantatra nefa akaiky noho Izy manome ho an’ny rehetra ny aina, ny fofon’ aina ary …
- 844 Ny Fiangonana sy ny tsy kristianina Kanefa amin’ny fihetsika amam-pitondran-tena ara-pivavahan’izy ireo, ny olombelona dia mampiseho koa ny fetra sy ny fahadisoana izay manimba ao amin’izy ireo ny endrik’Andriamanitra : Matetika tokoa, noho izy voafitak’ilay mpisompatra, dia nivaona …
- 845 Ny Fiangonana sy ny tsy kristianina Mba hanangona indray ny zanany rehetra izay naparitaky ny fahotana sy naniasia no nahatonga ny Ray hiantso ny olombelona rehetra ho ao amin’ny Fiangonan’ny Zanany. Ny Fiangonana no toerana tokony hahitan’ny olombelona …
- 846 “Ivelan’ny Fiangonana, tsy misy famonjena” Ahoana no tokony handraisana io filazana marina miverimberina matetika teo am-bavan’ny Aban’ny Fiangonana io ? Raha lazaina mazava amin’ny fomba tsy misy isalasalana, dia midika fa ny famonjena rehetra ataon’ny Fiangonana izay …
- 847 “Ivelan’ny Fiangonana, tsy misy famonjena” Io filazana marina io dia tsy mahakasika an’ireo izay tsy mahalala an’i Kristy sy ny Fiangonany, noho ny fahadisoana tsy avy amin’izy ireo : Satria, ireo izay tsy mahalala ny Vaovao Mahafalin’i …