Paragrafy 3. Iray, masina, katôlika ary apôstôlika ny Fiangonana

Laharana 812 amin’ny Katesizy

Ny finoana irery ihany no ahafahana mankato fa avy amin’Andriamanitra ny loharano nahazoan’ny Fiangonana an’ireo toetra manokana ireo. Kanefa ny fisehoan’ireo teo amin’ny tantara dia famantarana miharihary koa ho an’ny sain’olombelona. “Ny Fiangonana, tsiahivin’ny Kônsily voalohany tao Vatikana, noho ny fahamasinany, ny firaisany katôlika, ny faharetam-piorenany tsy hay arodana, dia ny tenan’izy Fiangonana ihany no antony lehibe sy maharitra ahazoana mino, sy porofo tsy hay toherina amin’ny fanirahan’Andriamanitra azy”[257].

“Ny mistery masin’ny Maha-iray ny Fiangonana”[258]

Loharano ôfisialy ↗