II. Masina ny Fiangonana

Laharana 828 amin’ny Katesizy

Amin’ny fananganana ho olomasina ireo mpino sasantsasany, izany hoe amin’ny fanambaràna manetriketrika fa ireny mpino ireny dia nampiasa ny hatsaram-panahy tamin-kerim-po sy niaina tamim-pitokiana ny fahasoavan’Andriamanitra, no ahatsapan’ny Fiangonana ny herin’ny Fanahin’ny fahamasinana ao aminy, ary manohana ny fanantenan’ny mpino izy amin’ny fanomezana azy ireo olomasina ho môdely sy mpitalaho[300].  “Loharano sy fiandoham-panavaozana lalandava tao anatin’ ny fotoana sarotra indrindra nodiavin’ny tantaran’ny Fiangonana, ny olomasina lehilahy sy vehivavy”[301]. Satria,“ny fahamasinana no loharano miafina sy fandrefesana tsy mety mandiso amin’ny raharaha  maha-apôstôly azy sy amin’ny ezaka maha-misiônera azy”[302].

Loharano ôfisialy ↗