← Lohahevitra rehetra

Fiangonana

Laharana 123

  1. 848 “Ivelan’ny Fiangonana, tsy misy famonjena” “Na dia afaka aza Andriamanitra, amin’ny lalana fantatr’Izy irery ihany, mitondra ireo olona tsy mahalala ny Vaovao Mahafaly, izay tsy fahadisoana ho azy ireo ny tsy fahalalana izany, ho amin’ny finoana izay …
  2. 857 IV. Apôstôlika ny Fiangonana Apôstôlika ny Fiangonana satria naorina eo ambonin’ny apôstôly, ary mirakitra hevitra telo izany : - naorina ary mbola miorina hatrany eo “ambonin’ny fanorenan’ny apôstôly” izy (Efez 2,20) [360] , dia ireo vavolombelona …
  3. 858 Ny fanirahana ny apôstôly Iraky ny Ray i Jesoa. Hatrany am-piandohan’ny raharaham-pamonjeny Izy no “niantso ireo izay tiany hantsoina hankeo Aminy, ary nanendry Roa ambin’ny folo lahy tamin’izany hiara-kitoetra Aminy sy hirahiny hitory teny” (Mk 3,13-14). …
  4. 859 Ny fanirahana ny apôstôly Nampiraisin’i Jesoa amin’ny fanirahana Azy noraisiny avy amin’ny Ray izy ireo : satria “tsy mahazo manao na inona na inona ho an’ny Tenany ihany ny Zanaka” (Jo 5,19.30) fa mandray ny zavatra …
  5. 860 Ny fanirahana ny apôstôly Amin’ireo fiadidian’ny apôstôly, dia misy sehon-javatra iray tsy mety ampitaina : ny nifidianana azy ireo ho vavolombelon’ny Fitsanganan’ny Tompo ho velona sy ho vato fototry ny Fiangonana. Kanefa misy koa ny sehon-javatra …
  6. 861 Ny Eveka dimbin’ny apôstôly ”Mba hitohizan’ny fanirahana nankinina tamin’ny apôstôly aorian’ny fahafatesan’ izy ireo, dia nanome fahefana toy ny fara hafatra tamin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky izy ireo, mba hamita ny lahasan’izy ireo sy hanamafy ny tsanganasa …
  7. 862 Ny Eveka dimbin’ny apôstôly ”Tahaka ilay adidy aman’andraikitra nankinin’ny Tenan’ny Tompo tamin’i Piera, ilay voalohany amin’ny apôstôly, sy natokana hampitaina amin’ireo mpandimby azy, natao ho adidy aman’andraikitra maharitra, no mampaharitra toy izany koa ny adidy aman’andraikitra …
  8. 863 Ny apôstôlà Apôstôlika ny Fiangonana manontolo noho izy maharitra ao anatin’ny fiombonam-pinoana amam-piainana hatramin’ny fiandohany, amin’ny alalan’ny dimbin’i Md Piera sy ny apôstôly. Apôstôlika ny Fiangonana manontolo noho izy “irahina” manerana an’izao tontolo izao …
  9. 864 Ny apôstôlà “I Kristy nirahin’ny Ray no loharano sy fiandohan’ny apôstôlà rehetra ataon’ny Fiangonana”, koa miharihary fa ny fahavokaran’ny apôstôlà, na ny an’ny mpandraharaha voahosotra na ny an’ny lahika, dia miankina amin’ny fiombonan’izy ireo …
  10. 865 Ny apôstôlà Iray , masina , katôlika ary apôstôlika ny Fiangonana, ao amin’ny maha-izy azy lalina sy farany, satria ao aminy no efa misy rahateo sy ho tanteraka amin’ny farandro “ ny Fanjakan’ny lanitra”, …
  11. 866 Ny apôstôlà Iray ny Fiangonana : tsy manana afa-tsy Tompo iray izy, tsy miaiky afa-tsy finoana iray izy, tsy nateraka afa-tsy tamin’ny Batemy iray izy, tsy mamorona afa-tsy Vatana iray izy, velomin’ny Fanahy iray, …
  12. 867 Ny apôstôlà Masina ny Fiangonana : ilay Andriamanitra masina indrindra no mpamorona azy; i Kristy, Vadiny, no nanolo-tena ho azy mba hanamasina azy; ny Fanahin’ny fahamasinana no mamelon’aina azy. Na dia mbola misy mpanota …
  13. 868 Ny apôstôlà Katôlika ny Fiangonana : mitory ny finoana manontolo izy ; mitondra ao aminy sy mizarazara ny hafenoan’ny fitaovam-pamonjena izy ; irahina ho amin’ny firenena rehetra izy ; manatona ny olombelona rehetra izy …
  14. 869 Ny apôstôlà Apôstôlika ny Fiangonana : naorina eo ambonin’ny fototra maharitra izy : “ ny apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanak’Ondry ” [381] ; tsy mety rava izy [382] ; maharitra amin’ny fahamarinana amin’ny tsy …
  15. 870 Ny apôstôlà “ Ny Fiangonana tokan’i Kristy izay ambarantsika ampahibemaso ao amin’ny Semboly fa iray, masina, katôlika ary apôstôlika (…), dia ao amin’ny Fiangonana katôlika no misy azy, tantanan’ny dimbin’i Piera sy ireo Eveka …
  16. 871 Paragrafy 4. Ny mpinon’i Kristy Ambaratongam-pitondrana, lahika, fanokanam-piainana “Ny mpinon’i Kristy, noho izy ireo voakambana amin’i Kristy tamin’ny Batemy, dia ireo izay mitambatra ho Vahoakan’Andriamanitra, ary noho io antony io, mandray anjara araka ny fomban’izy ireo amin’ny raharaha maha-mpisorona, maha-mpaminany …
  17. 872 Paragrafy 4. Ny mpinon’i Kristy Ambaratongam-pitondrana, lahika, fanokanam-piainana “Eo amin’ireo mpinon’i Kristy, noho ny fihavaozan’izy ireo ao amin’i Kristy, raha ny amin’ny fahamendrehana sy amin’ny asa fanao, dia misy fitoviana marina tokoa, izay amin’izany no ifarimbonan’izy rehetra amin’ny fandrafetana ny …
  18. 873 Paragrafy 4. Ny mpinon’i Kristy Ambaratongam-pitondrana, lahika, fanokanam-piainana Ny tsy fitoviana izay sitraky ny Tompo mihitsy ny nametraka izany teo amin’ny rantsambatan’ny Vatany dia manampy amin’ny firaisany sy ny fanirahana azy. Satria, “maro ny andraiki-panompoana misy ao amin’ny Fiangonana, nefa …
  19. 934 Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy “ Avy amin’ny fanorenan’Andriamanitra, dia misy amin’ireo mpino, ao amin’ny Fiangonana, no voatokana ho mpandraharaha masina, izay ara-dalàna ny iantsoana azy koa hoe olom-boahosotra ; ny an’ny hafa dia antsoina hoe lahika …
  20. 935 Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy Mba hitory ny finoana sy hanorina ny Fanjakany, no nanirahan’i Kristy ny apôstôliny sy ny dimbin’izy ireo. Nomeny anjara amin’ny fanirahana Azy izy ireo. Avy Aminy no andraisan'izy ireo ny fahefana hiasa …
  21. 936 Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy Ny Tompo no nanao an’i Md Piera ho fanorenana hita maso ny Fiangonany. Nomeny azy tamin’izany ny fanalahidy. Ny Evekan’ny Fiangonan’i Rôma, dimbin’i Md Piera, no “ filohan’ny Fiombonam-piadidian’ireo Eveka, Vikeran’i Kristy …
  22. 937 Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy Ny Papa, “ araka ny fanorenan’Andriamanitra, no manana ny fahefana fara tampony, feno, eo no eo mivantana ary manerana ny tany tontolo ho amin’ny fiadidiana ny olona ” [491] .
  23. 938 Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy Ny Eveka rehetra, napetraky ny Fanahy Masina, no mandimby ny apôstôly. Izy ireo “ tsirairay araka ny anjara asany, no fototra hita maso sy fanorenana ny firaisana ao amin’ny Fiangonan’izy ireo eo …
  24. 939 Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy Ampian’ny Pretra, mpiara-miasa aminy, sy ny Diakra, ny Eveka dia manana adidy aman’andraikitra hampianatra tsy misy diso ny finoana, hankalaza amin’ny fanompoam-pivavahana, indrindra ny Eokaristia, ary hitondra ny Fiangonany amin’ny tena maha-mpiandry …
  25. 940 Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy “ Ny maha-lahika ny lahika manokana, dia ny miaina eo anivon’izao tontolo izao sy ny manao ny raharahan’izao tontolo izao, antsoin’ Andriamanitra izy ireo hanao ny apôstôlàn’izy ireo eo amin’izao tontolo izao …
  26. 941 Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy Ny lahika dia mandray anjara amin’ny maha-Mpisorona an’i Kristy : arakaraka ny iraisany Aminy, no ampivelaran’izy ireo ny fahasoavan’ny Batemy sy ny Fankaherezana, eo amin’ny sehatra rehetra mikasika ny fiainan’ny olona manokana, …
  27. 942 Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy Noho ny iraka maha-mpaminany azy ireo, ny lahika “ dia voantso koa hijoro ho vavolombelon’i Kristy, amin’ny fisehon-javatra rehetra sy eo anivon’ny fiombonam-ben’ny olombelona mihitsy ” [494] .
  28. 943 Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy Noho ny iraka maha-mpanjaka azy ireo, ny lahika dia manana fahefana hamongotra ny fahotana sy ny fanjakany ao amin’ny tenan’izy ireo sy eo amin’izao tontolo izao, amin’ny alalan’ny fahafoizan-tenan’izy ireo sy ny …
  29. 944 Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy Ny fanokanam-piainana ho an’Andriamanitra dia hita miharihary amin’ ny fanaovana voady ampahibemaso araka ny torohevitry ny Evanjely momba ny fahantrana, ny fahadiovam-pitiavana ary ny fanekena ao anatin’ny toe-piainana mafy orina ankatoavin’ny Fiangonana.
  30. 945 Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy Ilay efa natokan’ny Batemy ho an’Andriamanitra, noho izy nanolo-tena Aminy izay tiany indrindra, dia mahatsiaro tena, ao amin’ny lalan’ny fanokanam-piainana, fa tafiditra lalindalina kokoa amin’ny fanokanan-tena hanompo an’Andriamanitra sy amin’ny fanoloran-tena hanasoa …