III. Katôlika ny Fiangonana
Laharana 830 amin’ny Katesizy
Ny teny hoe “katôlika dia midika hoe “manerana ny tany tontolo” amin’ny hevitra hoe “maha-fitambarana manontolo” na “maha-fahafenoana manontolo”. Katôlika ny Fiangonana amin’ireto hevitra anankiroa ireto :
Katôlika izy satria ao aminy lalandava i Kristy : “Izay misy an’i Kristy Jesoa dia misy ny Fiangonana Katôlika”[304]. Ao aminy no aharetan’ny hafenoan’ny Vatan’i Kristy miray amin’ny Lohany[305], izay milaza tsy mivantana fa raisin’ny Fiangonana avy amin’i Kristy “ny hafenoan’ny fitaovam-pamonjena”[306] izay ankasitrahany : fiekem-pinoana mahitsy sy feno, fiainana ara-tsakramenta tsy misy tomika ary andraiki-panompoana masina avy amin’ny fifandimbiasana maha-apôstôly. Ny Fiangonana, amin’izany votoatin-kevitra izany, dia katôlika tamin’ny andron’ny Pantekôty[307], ary ho izany lalandava izy mandra-pahatongan’ny Andro hiverenan’ny Tompo amim-boninahitra.