Iza no anisan’ny Fiangonana katôlika ?
Laharana 838 amin’ny Katesizy
“Miaraka amin’ireo izay mitondra ny anarana mendrika hoe kristianina, amin’ny fahavitany batemy, kanefa tsy manaiky manontolo ny finoana na tsy mitandrina ny firaisam-piombonana amin’ny dimbin’i Piera, no ahaizan’ny Fiangonana miray amin’izy ireny amin’ny antony maro”[320]. “ Ireo izay mino an’i Kristy sy izay nandray ara-dalàna ny Batemy, dia manana fiombonana ihany amin’ny Fiangonana katôlika[321], na dia tsy lavorary aza izany.” Miaraka amin’ny Fiangonana ôrtôdôksa, io fiombonana io dia lalina tokoa “izay zavatra bitika sisa tsy ampy aminy mba hahatratrarany tanteraka amin’ny fanomezan-dalana azy hiara-mankalaza ny Eokaristian’ny Tompo”[322].