Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
521
Ny fiombonantsika amin’ny misterin’i Jesoa
Izay rehetra niainan’i Kristy, dia nataony mba hahafahantsika miaina izany ao Aminy sy mba hiainany izany ao amintsika . “Noho ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo, dia ny Tenany mihitsy no toa mikambana …
→
-
522
Ny fanomanana
Ny fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra tety ambonin’ny tany dia zava-niseho lehibe dia lehibe tokoa izay sitrak’Andriamanitra ny nanomana izany nandritra ny taonjato maro. Nataony manatona sy miafara avokoa ao amin’i Kristy na ny fombam-pivavahana …
→
-
523
Ny fanomanana
I Md Joany Batista no mpialoha lalana [205] mivantana ny Tompo, nirahina hamboatra lalana ho Azy [206] . “Izy no mpaminanin’ny Avo Indrindra” (Lk 1,76), mihoatra ny mpaminany rehetra [207] , farany …
→
-
524
Ny fanomanana
Amin’ny fankalazana isan-taona ny litorzian’ny Fahatongavan’ny Tompo ny Fiangonana dia mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny izany fiandrasana ny Mesia izany : amin’ny firaisam-po amam-panahy tamin’ny fanomanana nandritra ny fotoana lava ny voalohany nahatongavan’ny …
→
-
525
Ny misterin’ny Noely
Tamin’ny fanetren-tena tao an-tranonomby, teo anivon’ny fianakaviana mahantra [213] , no nahaterahan’i Jesoa ; mpiandry ondry tsotra no vavolombelona voalohany nahita maso ny zava-niseho. Tao anatin’izany fahantrana izany no niseho ny voninahitry …
→
-
526
Ny misterin’ny Noely
“Tonga zazakely” amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra no toetra hidirana ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra [216] ; araka izany, tsy maintsy manetry tena [217] , tonga madinika ; fa indrindra : tsy maintsy “ateraka avy …
→
-
527
Ny misterin’ny fahazazan’i Jesoa
Ny famoràna an’i Jesoa, havaloana taorian’ny nahaterahany [221] , dia famantarana ny fampidirana Azy amin’ny taranak’i Abrahama, amin’ny vahoakan’ny fanekem-pihavanana, amin’ny fankatoavany ny Lalàna [222] , sy amin’ny fanirahana Azy amin’ny fanompoam-pivavahan’i …
→
-
528
Ny misterin’ny fahazazan’i Jesoa
Ny Epifania no fisehoan’i Jesoa ho Mesian’i Israely, Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjin’izao tontolo izao. Miaraka amin’ny Batemin’i Jesoa teo Jordany sy ny fampakaram-bady tao Kanà [224] , no ankalazana amin’ny epifania ny fitsaohan’ireo …
→
-
529
Ny misterin’ny fahazazan’i Jesoa
Ny fanolorana an’i Jesoa tao an-Tempoly [233] , no mampiseho Azy ho ilay Voalohan-Teraka ho an’ny Tompo [234] . Niaraka tamin’i Simeôna sy i Ana, ny fiandrasana rehetra tao amin’i Israely no …
→
-
530
Ny misterin’ny fahazazan’i Jesoa
Ny fandosirana tany Ejipta sy ny famonoana ny zazakely tsy manan-tsiny [235] no mampiseho ny fanoheran’ny maizina ny mazava : “Tonga tao amin’ny olony Izy, fa ny olony tsy nandray Azy” (Jo …
→
-
531
Ny misterin’ny fiainana miafin’i Jesoa
Fomba fiainana niainan’ny ankamaroan’ny olombelona, no niombonan’i Jesoa nandritra ny ampahany be indrindra tamin’ny fiainany : fiainana andavanandro tsy hita nisongadina, fivelomana tamin’ny asa tanana, fiainam-pivavahana jody teo ambany Lalànan’Andriamanitra [239] , …
→
-
532
Ny misterin’ny fiainana miafin’i Jesoa
Ny fankatoavan’i Jesoa ny reniny mbamin’ny ray nanangana sy mpitaiza azy, no nahatanteraka an-tsakany sy an-davany ny didy fahefatra. Izany no endriky ny faneken-janaka tao Aminy, teto an-tany, amin’ny Rainy any an-danitra. …
→
-
533
Ny misterin’ny fiainana miafin’i Jesoa
Ny fiainana miafina tao Nazareta no ahafahan’ny olona rehetra miray fo sy miombon-tsaina amin’i Jesoa amin’ny alalan’ireo fomba fiainana mahazatra andavanandro tsotra indrindra : I Nazareta no sekoly izay anombohan’ny olona hahatakatra …
→
-
534
Ny misterin’ny fiainana miafin’i Jesoa
Ny fahitana indray an’i Jesoa tao an-Tempoly [243] no zava-niseho tokana izay nampijanona ny fanginan’ny Evanjely ny amin’ny fiainana miafin’i Jesoa tao anatin’ny taona maro. Avelan’i Jesoa ho tsikaritra ao amin’izany ny …
→
-
535
Ny Batemin’i Jesoa
Ny fiantombohan’ny [244] fiainan’i Jesoa ampahibemaso, dia ny nanaovan’i Joany batemy Azy tao Jordany [245] . Nitory “batemim-pibebahana ho famelana ny fahotana” (Lk 3,3) i Joany. Mpanota sesehena, poblikanina sy miaramila [246] …
→
-
536
Ny Batemin’i Jesoa
Ny Batemin’i Jesoa, ho Azy, no fanekena sy fisantarana ny iraka maha-Mpanompo mijaly Azy. Nanaiky ho anisan’ny mpanota Izy [249] ; efa “ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao” Izy (Jo …
→
-
537
Ny Batemin’i Jesoa
Tamin’ny alalan’ny sakramentan’ny Batemy ny kristianina no mitovy amin’i Jesoa izay nampihatra mialoha ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona, tamin’ny alalan’ny Bateminy ; tsy maintsy miditra ao amin’io misterin’ny fanetrena tena …
→
-
538
Ny fakam-panahy nosetrain’i Jesoa
Milaza ny fotoana naha-irery an’i Jesoa tany an’efitra teo no eo avy hatrany ny Evanjely, taorian’ny nanaovan’i Joany batemy Azy : “Nasesiky ny Fanahy hankany an’efitra” i Jesoa, ka nitoetra tany efapolo …
→
-
539
Ny fakam-panahy nosetrain’i Jesoa
Manoro ny hevi-pamonjena amin’izany zava-niseho mifono mistery izany, ny mpanoratra ny Evanjely. I Jesoa no Adama vaovao, naharitra tsy nivadika, fa tsy tahaka an’ilay Adama voalohany, izay resin’ny fakam-panahy. Nanatanteraka an-tsakany sy …
→
-
540
Ny fakam-panahy nosetrain’i Jesoa
Mampiseho ny fomban’ny Zanak’Andriamanitra amin’ny maha-Mesia Azy ny fakam-panahy nosetrain’i Jesoa, mifanohitra amin’ny an’izay atolotr’i Satana Azy sy irìn’ny olombelona [259] hiheverana Azy. Izany no antony nandresen’i Kristy ny Mpaka fanahy antsika …
→