Ny misterin’ny Noely

Laharana 526 amin’ny Katesizy

“Tonga zazakely” amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra no toetra hidirana ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra[216] ; araka izany, tsy maintsy manetry tena[217], tonga madinika ; fa indrindra : tsy maintsy “ateraka avy any ambony” (Jo 3,7), aterak’Andriamanitra[218] mba “ho tonga zanak’Andriamanitra” ( Jo 1, 12). Tanteraka ao amintsika ny misterin’ny Noely rahefa “voasokitra” ao anatintsika ny endrik’i Kristy[219]. Ny Noely no misterin’izany “fifanakalozana mampitolagaga” izany :

Ry fifanakalozana mampitolagaga ! Ilay mpahary ny olombelona manontolo,  naka vatana sy fanahy ho an’ny Tenany, dia nanaiky hateraky ny virjiny, ary tamin’ny fahatongavany ho olombelona tsy natera-dehilahy,  no nanomezany antsika ny maha-Andriamanitra Azy [220].

Loharano ôfisialy ↗