Ny Batemin’i Jesoa
Laharana 535 amin’ny Katesizy
Ny fiantombohan’ny[244] fiainan’i Jesoa ampahibemaso, dia ny nanaovan’i Joany batemy Azy tao Jordany[245]. Nitory “batemim-pibebahana ho famelana ny fahotana” (Lk 3,3) i Joany. Mpanota sesehena, poblikanina sy miaramila[246], Farisianina sy Sadôseanina[247] ary mpivaro-tena[248], no tonga hataony batemy. “Tamin’izay, niseho i Jesoa.” Ilay Mpanao batemy moa niahotra, i Jesoa kosa nikiry : nandray ny Batemy Izy. Tamin’izay ny Fanahy Masina, niendri-batana toa voromahailala, nidina nankeo ambonin’i Jesoa, ary nisy feo avy an-danitra nanambara hoe : “Izy ity no Zanako malalako” (Mt 3,13-17). Izany no fisehoan’i (“Epifania”) Jesoa ho Mesian’i Israely sy Zanak’Andria-manitra.