Ny fakam-panahy nosetrain’i Jesoa

Laharana 538 amin’ny Katesizy

Milaza ny fotoana naha-irery an’i Jesoa tany an’efitra teo no eo avy hatrany ny Evanjely, taorian’ny nanaovan’i Joany batemy Azy : “Nasesiky ny Fanahy hankany an’efitra” i Jesoa, ka nitoetra tany efapolo andro, tsy nihinan-kanina; niara-niaina tamin’ny bibidia Izy, ary nanompo Azy ny anjely[256]. Tamin’ny faran’io fotoana io dia nalain’i Satana fanahy intelo Izy amin’ny fihantsiana mba hitsapana ny toe-pihetsika asehony amin’ny maha-Zanaka Azy manoloana an’Andriamanitra. Notoherin’i Jesoa ireny famelezana ireny, izay nanambatra ny fakam-panahin’i Adama tao am-Paradisa sy i Israely tany an’efitra, ka nandao Azy ny devoly “mandra-piavin’ny fotoana indray” (Lk 4,13).

Loharano ôfisialy ↗