Ny fanomanana

Laharana 524 amin’ny Katesizy

Amin’ny fankalazana isan-taona ny litorzian’ny Fahatongavan’ny Tompo ny Fiangonana dia mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny izany fiandrasana ny Mesia izany : amin’ny firaisam-po amam-panahy tamin’ny fanomanana nandritra ny fotoana lava ny voalohany nahatongavan’ny Mpamonjy, no anavaozan’ny mpino ny faniriana miredareda amin’ny Fahatongavany fanindroany[212]. Amin’ny fankalazana ny nahaterahan’ilay Mpialoha lalana sy ny nahafatesany martiry, no iombonan’ny Fiangonana amin’ny faniriany manao hoe : ”Izy tsy maintsy mitombo fa izaho kosa tsy maintsy mihena” (Jo 3,30).

Loharano ôfisialy ↗