Ny misterin’ny fahazazan’i Jesoa
Laharana 527 amin’ny Katesizy
Ny famoràna an’i Jesoa, havaloana taorian’ny nahaterahany[221], dia famantarana ny fampidirana Azy amin’ny taranak’i Abrahama, amin’ny vahoakan’ny fanekem-pihavanana, amin’ny fankatoavany ny Lalàna[222], sy amin’ny fanirahana Azy amin’ny fanompoam-pivavahan’i Israely, izay handraisany anjara mandritra ny fiainany manontolo. Io famantarana io no manambara mialoha ny “famoràn’i Kristy”, dia ny Batemy izany[223].