Ny Batemin’i Jesoa
Laharana 536 amin’ny Katesizy
Ny Batemin’i Jesoa, ho Azy, no fanekena sy fisantarana ny iraka maha-Mpanompo mijaly Azy. Nanaiky ho anisan’ny mpanota Izy[249] ; efa “ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao” Izy (Jo 1,29) ; nataony mialoha sahady ny “batemin’ny” fahafatesany handatsahany ny rany[250]. Tonga sahady Izy “hanatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Mt 3,15), izany hoe hankato manontolo ny sitrapon’ny Rainy : nekeny amim-pitiavana io batemim-pahafatesana io ho famelana ny fahotantsika[251]. Tamin’io fanekena io no namalian’ny feon’ny Ray izay nankasitraka manontolo ny Zanany[252]. Ny Fanahy, izay ananan’i Jesoa tanteraka hatramin’ny niforonany tao am-bohoka, no tonga “nitoetra” teo amboniny[253]. Izy no ho loharanon’izany ho an’ny olombelona rehetra. Tamin’ ny Bateminy no “nisokatra ny lanitra” (Mt 3,16) izay nohidian’ny fahotan’i Adama ; ary nohamasinin’ny fidinan’i Jesoa sy ny Fanahy ny rano, izay fambara ny fahariana vaovao.