Ny misterin’ny fiainana miafin’i Jesoa

Laharana 531 amin’ny Katesizy

Fomba fiainana niainan’ny ankamaroan’ny olombelona, no niombonan’i Jesoa nandritra ny ampahany be indrindra tamin’ny fiainany  : fiainana andavanandro tsy hita nisongadina, fivelomana tamin’ny asa tanana, fiainam-pivavahana jody teo ambany Lalànan’Andriamanitra[239], fiainana tao anatin’ny ankohonana. Tao anatin’izany fotoana rehetra izany no nampisehoana tamintsika fa “nanaiky” an’ireo ray aman-dreniny i Jesoa[240] sady “nitombo fahendrena sy vatana, ary nandroso nahatehotia teo anatrehan’Andriamanitra sy teo anatrehan’ny olombelona” (Lk 2,51-52).

Loharano ôfisialy ↗