Ny fanomanana
Laharana 523 amin’ny Katesizy
I Md Joany Batista no mpialoha lalana[205] mivantana ny Tompo, nirahina hamboatra lalana ho Azy[206]. “Izy no mpaminanin’ny Avo Indrindra” (Lk 1,76), mihoatra ny mpaminany rehetra[207], farany amin’izany[208], nisantatra ny Vaovao mahafaly[209] ; vao tao an-kibon-dreniny izy[210], dia niarahaba ny fahatongavan’i Kristy, ary nentanin’ny hafaliany ho “sakaizan’ny mpampakatra” (Jo 3,29) izay notondroiny ho “ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao” (Jo 1,29). Tamin’ny nialohavany lalana an’i Jesoa “tamin’ny fanahy sy ny herin’i Elia”(Lk 1,17) no nijoro ho vavolombelony izy, tamin’ny toriteniny, tamin’ny Batemim-pibebahana nataony ary farany tamin’ny nahafatesany martiry[211].