Ny fanomanana
Laharana 522 amin’ny Katesizy
Ny fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra tety ambonin’ny tany dia zava-niseho lehibe dia lehibe tokoa izay sitrak’Andriamanitra ny nanomana izany nandritra ny taonjato maro. Nataony manatona sy miafara avokoa ao amin’i Kristy na ny fombam-pivavahana sy sorona, na ny tandindona sy fanehoana an’ohatra ny fanekem-pihavanana Voalohany[204] ; nolazainy tamin’ny vavan’ny mpaminany izay nifandimby teo amin’i Israely izany. Ankoatra izany, nofohaziny tao am-pon’ny jentily koa ny fiandrasana manjavozavo an’io fahatongavana io.