← Lohahevitra rehetra

Trinite Masina

Laharana 36

  1. 232 I. “Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” Natao batemy “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” (Mt 28,19) ny kristianina. Talohan’izany, novalian’izy ireo hoe “Inoako tokoa” ny fanontaniana intelo izay nangatahana azy ireo hanambara ampahibemaso ny …
  2. 233 I. “Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” Natao batemy amin’ny “anaran’ ” ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina ny kristianina, fa tsy amin’ny “anaran’ ” izy ireo [50] satria tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana, ny Ray …
  3. 234 I. “Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” Ny misterin’ny Trinite Masina Indrindra no mistery foiben’ny finoana sy ny fiainana kristianina. Io no misterin’Andriamanitra ao amin’ny Tenany ihany. Io izany no loharanon’ny mistery hafa rehetra momba ny finoana, fahazavana izay …
  4. 235 I. “Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” Amin’ity paragrafy ity, hovelabelarina amin’ny teny fohy ny hoe : fomba ahoana no nanambaràna ny misterin’ny Trinite Sambatra (I) ? Fomba ahoana no nandrafetan’ny Fiangonana ny rijan-tenin’ny fitambaram-pampianaram-pinoana momba io mistery io …
  5. 236 I. “Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” Ny Aban’ny Fiangonana, dia manavaka ny hevitry ny teny hoe Theologia sy ny hoe Oikonomia , ka ny teny voalohany dia ilazana ny misterin’ny fiainana lalina iainan’Andriamanitra-Trinite ; ny faharoa no ilazana …
  6. 237 I. “Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” Ny Trinite dia misterin’ny finoana amin’ny dikany ara-bakiteny, iray amin’ ireo “mistery miafina ao amin’Andriamanitra, izay tsy mety ho fantatra raha tsy nambara avy any ambony” [53] . Marina fa namela mariky …
  7. 238 Ny Ray nambaran’ny Zanaka Fantatra amin’ny antokom-pinoana maro ny fiantsoana an’Andriamanitra ho “Ray”. Matetika, heverina ho “rain’ireo andriamanitra sy ny olombelona” ny maha-Andriamanitra. Tany Israely, antsoina hoe Ray Andriamanitra amin’ ny maha-Mpahary an’izao tontolo izao Azy …
  8. 239 Ny Ray nambaran’ny Zanaka Amin’ny fanononanaan’Andriamanitra amin’ny anarana hoe “Ray”, dia ireto toetra roa ireto indrindra no ambaran’ny fiteny ara-pinoana : sady voaloham-piandohan’ny zava-drehetra sy tompom-pahefana ambony tsy taka-polopolorina Andriamanitra, no hatsaram-panahy sy fiahiana ombam-pitiavana amin’ny …
  9. 240 Ny Ray nambaran’ny Zanaka Tamin’ny teny tsy mbola fandre no nanambaràn’i Jesoa fa Andriamanitra dia “Ray” : Tsy izany fotsiny Izy amin’ny maha-Mpahary Azy, fa Ray mandrakizay Izy amin’ny fifandraisany amin’ny Zanany tokana, izay tsy Zanaka …
  10. 241 Ny Ray nambaran’ny Zanaka Izany no antony ieken’ny apôstôly an’i Jesoa ho “ilay Teny izay tao amin’ Andriamanitra hatramin’ny voalohany ary Andriamanitra mihitsy” (Jo 1,1), ho “endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso” (Kôl 1,15), ho “ilay famirapiratan’ny …
  11. 242 Ny Ray nambaran’ny Zanaka Eo am-panarahana azy ireo, araka ny lovam-pampianaran’ny apôstôly, dia niaiky ny Fiangonana, tamin’ny taona 325, tao amin’ny Kônsily ekiomenika voalohan’i Nicée, fa “iray fombam-pisia-maha-izy” [60] amin’ny Ray ny Zanaka, izany hoe Andriamanitra …
  12. 243 Ny Ray sy ny Zanaka nambaran’ny Fanahy Masina Talohan’ny Pakany, nambaran’i Jesoa ny fanirahana ny “Parakleto hafa” (Mpiaro), dia ny Fanahy Masina izany. Efa niasa Izy hatramin’ny fahariana an’izao tontolo izao [62] , “niteny tamin’ny alalan’ny mpaminany” [63] fahiny, ary …
  13. 244 Ny Ray sy ny Zanaka nambaran’ny Fanahy Masina Ny fiandohan’ny Fanahy Masina hatramin’ny mandrakizay, dia voaseho amin’ny fanirahana Azy teto an-tany. Ny Fanahy Masina izay nirahin’ny Ray tamin’ny anaran’ny Zanaka tao amin’ny apôstôly sy ny Fiangonana, dia nirahin’ny Tenan’Izy Zanaka …
  14. 245 Ny Ray sy ny Zanaka nambaran’ny Fanahy Masina Ny finoana apôstôlika momba ny Fanahy Masina, dia nankatoavin’ny Kônsily ekiomenika faharoa tamin’ny taona 381, tao Constantinople : “Mino ny Fanahy Masina isika, izay Tompo sy manome ny aina; avy amin’ny Ray …
  15. 246 Ny Ray sy ny Zanaka nambaran’ny Fanahy Masina Miaiky ny lovam-pampianarana latinina momba ny Izaho mino, fa “avy amin’ny Ray sy avy amin’ny Zanaka ( filioque )” ny Fanahy Masina. Nabaribarin’ny Kônsily tao Florence, tamin’ny taona 1438, fa : “Ny …
  16. 247 Ny Ray sy ny Zanaka nambaran’ny Fanahy Masina Ny fanamafisana marina ny hoe : “ avy amin’ny Zanaka ny Fanahy Masina ” ( filioque ), dia tsy hita ao amin’ny semboly nambara tamin’ny taona 381 tao Constantinople. Kanefa raha zohina …
  17. 248 Ny Ray sy ny Zanaka nambaran’ny Fanahy Masina Ny lovam-pampianarana tatsinanana dia maneho avy hatrany ny toetra manokana maha-voaloham-piandohana ny Ray raha oharina amin’ny Fanahy. Ny lovam-pampianarana tatsinanana, amin’ny fiekena hoe : “avy amin’ny Ray” (Jo 15,26) ny Fanahy Masina, …
  18. 249 Ny fiforonan’ny teny finoana momba ny Trinite Masina Ny marina nambara momba ny Trinite Masina dia hatrany am-piandohana no efa tao amin’ny fakan’ny finoana velon’ny Fiangonana, fa indrindra tamin’ny alalan’ny Batemy. Hita ao amin’ny fitsipi-pinoan’ny Batemy ny fitenim-panehoana izany, voarafitra …
  19. 250 Ny fiforonan’ny teny finoana momba ny Trinite Masina Nandritra ny taonjato voalohandohany, notadiavin’ny Fiangonana izay fomba filaza amin’ny rijan-teny mazavazava kokoa ny finoany mikasika ny Trinite, mba handalinana ny fahaizany manokana momba ny finoana sady mba hiarovana izany amin’ny hadisoan-kevitra …
  20. 251 Ny fiforonan’ny teny finoana momba ny Trinite Masina Mba ho fandrafetana ny rijan-teny amin’ny teny finoana momba ny Trinite, dia tsy maintsy nanitatra fiteny azy manokana tamin’ny alalan’ny fahalalana avy amin’ny filôzôfia ny Fiangonana : “fisia-maha-izy”, “olona” na “ny fisia-maha-olona”, …
  21. 252 Ny fiforonan’ny teny finoana momba ny Trinite Masina Ampiasain’ny Fiangonana ny teny hoe : “fisia-maha-izy” (antsoina indraindray koa hoe : “foto-pisiana”, na “fomba aman-toetra”), mba hilazana ny fisian-tenan’Andriamanitra amin’ny maha-tokana Azy ; ny teny hoe : “olona” na “fisia-maha-olona”, mba …
  22. 253 Ny teny finoana momba ny Trinite Masina Tokana ny Trinite . Tsy miaiky ny fisiana andriamanitra telo isika, fa Andriamanitra tokana ao amin’ny Olona telo : ny “Trinite Masina iray fombam-pisia-maha-izy” [80] . Tsy ifampizaran’ireo Olona-Andriamanitra ny maha-Andriamanitra tokana, …
  23. 254 Ny teny finoana momba ny Trinite Masina Tena miavaka tokoa amin’Izy ireo samy Izy ireo, ny tsirairay amin’ireo Olona-Andriamanitra . “Tokana Andriamanitra nefa tsy manirery [83] .” “Ray”, “Zanaka”, “Fanahy Masina” : tsy anarana ilazana fotsiny ny fombafomban’ ny …
  24. 255 Ny teny finoana momba ny Trinite Masina Mifandray amin’Izy ireo samy Izy ireo, ny tsirairay amin’ireo Olona-Andriamanitra . Ny fiavahana misy amin’ireo Olona tsirairay eo amin’Izy ireo samy Izy ireo dia miorina irery ihany amin’ireo fifandraisana izay mampifandray ny …
  25. 256 Ny teny finoana momba ny Trinite Masina I Md Grégoire de Nazianze, izay antsoina koa hoe “ilay Teôlôjianina”, dia nanankina izao famintinana momba ny finoana ny Trinite Masina izao tamin’ireo katekomena tao Constantinople : Alohan’ny zavatra rehetra, tahirizo tsara …
  26. 257 IV. Ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny fanirahana sahanin’ ny Trinite Masina “Ry Trinite fahazavana sambatra ! Ry Tokana hatrany am-boalohany” [90] . Hasambarana mandrakizay Andriamanitra, fiainana tsy manam-pahafatesana, fahazavana tsy mihena. Fitiavana Andriamanitra : Ray, Zanaka sy Fanahy Masina. An-kalalahana no itiavan’Andriamanitra hampitana …
  27. 258 IV. Ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny fanirahana sahanin’ ny Trinite Masina Tsanganasa iombonan’ireo Olona telo-Andriamanitra ny fitantanam-pamonjen’Andriamanitra manontolo. Satria tahaka ny tsy ananan’ny Trinite afa-tsy fomba aman-toetra tokana sy mitovy no tsy ananany afa-tsy asa tokana sy mitovy koa [92] . “Tsy fototra …
  28. 259 IV. Ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny fanirahana sahanin’ ny Trinite Masina Ny fitantanam-pamonjen’Andriamanitra manontolo, amin’ny maha-asa iombonana sady maha-asan’ny tsirairay azy, no mampahalala ny maha-izy manokana an’ireo Olona-Andriamanitra sy ny fomba aman-toetra tokan’izy ireo. Koa, fiombonana amin’ny tsirairay amin’ireo Olona-Andriamanitra ny fiainana manontolo …
  29. 260 IV. Ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny fanirahana sahanin’ ny Trinite Masina Ny tanjom-piafaràn’ny fitantanam-pamonjen’Andriamanitra manontolo, dia ny fidiran’ny voary rehetra ao amin’ny firaisana lavorarin’ny Trinite Sambatra [98] . Kanefa manomboka izao ankehitriny izao isika no antsoina mba honenan’ny Trinite Masina Indrindra : “Raha …
  30. 261 IV. Ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny fanirahana sahanin’ ny Trinite Masina Ny misterin’ny Trinite Masina Indrindra no mistery foiben’ny finoana sy ny fiainana kristianina. Andriamanitra irery ihany no afaka hanome antsika ny fahalalana ny amin’izany amin’ny nanambaràny ny Tenany ho Ray, Zanaka sy …