Ny Ray nambaran’ny Zanaka
Laharana 242 amin’ny Katesizy
Eo am-panarahana azy ireo, araka ny lovam-pampianaran’ny apôstôly, dia niaiky ny Fiangonana, tamin’ny taona 325, tao amin’ny Kônsily ekiomenika voalohan’i Nicée, fa “iray fombam-pisia-maha-izy”[60] amin’ny Ray ny Zanaka, izany hoe Andriamanitra iray ihany miaraka Aminy. Ny Kônsily ekiomenika faharoa, nivory tao Constantinople tamin’ny taona 381, dia mitazona io fomba fiteny io tamin’ny fandrafetana ny rijan-tenin’ny Fiekem-pinoan’i Nicée, ary niaiky “ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, teraky ny Ray talohan’ny taona rehetra, fahazavana avy amin’ny fahazavana, Andriamanitra marina avy amin’Andriamanitra marina, nateraka fa tsy natao, iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray”[61].