Ny Ray sy ny Zanaka nambaran’ny Fanahy Masina

Laharana 248 amin’ny Katesizy

Ny lovam-pampianarana tatsinanana dia maneho avy hatrany ny toetra manokana maha-voaloham-piandohana ny Ray raha oharina amin’ny Fanahy. Ny lovam-pampianarana tatsinanana, amin’ny fiekena hoe : “avy amin’ny Ray” (Jo 15,26) ny Fanahy Masina, dia manamafy fa ny Fanahy Masina dia avy amin’ny Ray amin’ny alalan’ny Zanaka[74]. Ny lovam-pampianarana tandrefana dia maneho avy hatrany ny fiombonan’ny maha-iray fombam-pisia-maha-izy eo amin’ny Ray sy ny Zanaka, amin’ny filazana fa ny Fanahy Masina dia avy amin’ny Ray sy ny Zanaka (filioque). Lazainy amin’ny “fomba ara-dalàna sy ara-pahamarinana”[75] izany, satria ny filaharana mandrakizain’ireo Olona-Andriamanitra  amin’ny fiombonan’ny maha-iray fombam-pisia-maha-izin’izy ireo dia mifono hevitra hoe  ny Ray no voaloham-piandohan’ny Fanahy amin’ny maha-“foto-piandohana tsy misy fiandohana”[76] Azy, nefa koa amin’ny maha-Rain’ny Zanaka Lahitokana ny Ray, dia miaraka Amin’Izy Ray “ilay fototra tokana izay iavian’ny Fanahy Masina”[77] ny Zanaka. Izany fifamenoana araka ny marina sy ny hitsiny izany, raha tsy nororitina, dia tsy nanimba ny fitovian’ny finoana amin’ny fisian’io mistery iaraha-mankato ihany io”.

Loharano ôfisialy ↗