IV. Ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny fanirahana sahanin’ ny Trinite Masina

Laharana 259 amin’ny Katesizy

Ny fitantanam-pamonjen’Andriamanitra manontolo, amin’ny maha-asa iombonana sady maha-asan’ny tsirairay azy, no mampahalala ny maha-izy manokana an’ireo Olona-Andriamanitra sy ny fomba aman-toetra tokan’izy ireo. Koa, fiombonana amin’ny tsirairay amin’ireo Olona-Andriamanitra ny fiainana manontolo kristianina, nefa tsy mampisaraka azy ireo velively. Ilay izay manome voninahitra ny Ray, manao izany amin’ny alalan’ny Zanaka ao amin’ny Fanahy Masina ; ilay izay manara-dia an’i Kristy, manao izany satria ny Ray no mitaona azy[96] ary ny Fanahy Masina no manetsika azy[97].

Loharano ôfisialy ↗