Ny Ray sy ny Zanaka nambaran’ny Fanahy Masina
Laharana 245 amin’ny Katesizy
Ny finoana apôstôlika momba ny Fanahy Masina, dia nankatoavin’ny Kônsily ekiomenika faharoa tamin’ny taona 381, tao Constantinople : “Mino ny Fanahy Masina isika, izay Tompo sy manome ny aina; avy amin’ny Ray Izy”[68]. Amin’izany no aneken’ny Fiangonana ny Ray ho “loharano ipoirana sy fiandohan’ny maha-Andriamanitra manontolo”[69]. Ny fiandohan’ny Fanahy Masina hatramin’ny mandrakizay anefa tsy hoe tsy misy fifamatorany amin’ny an’ny Zanaka : “Ny Fanahy Masina izay Olona fahatelon’ny Trinite, dia Andriamanitra, tokana sy mitovy amin’ny Ray sy ny Zanaka, iray fisia-maha-izy ary koa iray fomba aman-toetra (…). Kanefa tsy azo lazaina hoe Fanahin’ny Ray ihany Izy, fa sady Fanahin’ny Ray Izy no Fanahin’ny Zanaka”[70]. Ny Fiekem-pinoan’ny Fiangonana, tamin’ny Kônsily tao Constantinople, dia manambara hoe : “Tsaohina sy omem-boninahitra, miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka Izy”[71].