Ny Ray sy ny Zanaka nambaran’ny Fanahy Masina

Laharana 243 amin’ny Katesizy

Talohan’ny Pakany, nambaran’i Jesoa ny fanirahana ny “Parakleto hafa” (Mpiaro), dia ny Fanahy Masina izany. Efa niasa Izy hatramin’ny fahariana an’izao tontolo izao[62], “niteny tamin’ny alalan’ny mpaminany”[63] fahiny, ary izao Izy dia eo anilan’ny mpianatra sy ao amin’izy ireo[64], mba hampianatra azy ireo[65] sy hitarika azy ireo “ho amin’ny marina rehetra” (Jo 16,13). Ny Fanahy Masina izany no nambara ho ilay Olona iray hafa-Andriamanitra  raha oharina amin’i Jesoa sy ny Ray.

Loharano ôfisialy ↗