Ny teny finoana momba ny Trinite Masina

Laharana 253 amin’ny Katesizy

Tokana ny Trinite. Tsy miaiky ny fisiana andriamanitra telo isika, fa Andriamanitra  tokana ao amin’ny Olona telo : ny “Trinite Masina iray fombam-pisia-maha-izy”[80]. Tsy ifampizaran’ireo Olona-Andriamanitra ny maha-Andriamanitra  tokana, fa ny tsirairay amin’izy ireo dia Andriamanitra feno sy manontolo : “Ny Ray dia iray ihany amin’ny Zanaka, ny Zanaka dia iray ihany amin’ny Ray, ny Ray sy ny Zanaka dia iray ihany amin’ny Fanahy Masina, izany hoe Andriamanitra tokana ihany amin’ny fomba aman-toetra”[81]. Izany fisiana izany no an’ny tsirairay amin’ny Olona telo, izany hoe ny fisia-maha-izy, ny foto-pisiana na ny fomba aman-toetra maha-Andriamanitra”[82].

Loharano ôfisialy ↗