Ny Ray nambaran’ny Zanaka
Laharana 238 amin’ny Katesizy
Fantatra amin’ny antokom-pinoana maro ny fiantsoana an’Andriamanitra ho “Ray”. Matetika, heverina ho “rain’ireo andriamanitra sy ny olombelona” ny maha-Andriamanitra. Tany Israely, antsoina hoe Ray Andriamanitra amin’ ny maha-Mpahary an’izao tontolo izao Azy[54]. Ray Andriamanitra, fa indrindra noho ny fanekem-pihavanana sy ny fanomezana ny Lalàna tamin’i Israely “zanany lahimatoa” (Eks 4,22). Antsoina koa hoe Rain’ny Mpanjakan’i Israely Izy[55]. Izy indrindra koa no “Rain’ny mahantra”, ny kamboty sy ny mananotena, izay eo ambany fiarovany be fitiavana[56].