Fanambadiana
Laharana 77
- 1634 Ny fanambadiana eo amin’ny samy kristianina samihafa finoana, sy eo amin’ny kristianina sy tsy kristianina Ny tsy fitovian’ny finoana arahina eo amin’ny mpivady dia tsy mampisy vato misakana tsy azo ihoarana ho an’ny fanambadiana, raha vitan’izy ireo ny manakambana an’izay noraisin’ny tsirairay tamin’izy ireo tao amin’ny fiangonany, …
- 1635 Ny fanambadiana eo amin’ny samy kristianina samihafa finoana, sy eo amin’ny kristianina sy tsy kristianina Araka ny lalàna manan-kery ao amin’ny Fiangonana latinina, ny fanambadian’ny samy kristianina samihafa finoana, mba ho ara-dalàna izy, dia mila ny fahazoan-dalana mazava avy amin’ny manam-pahefan’ny Fiangonana [152] . Eo amin’ny an’ny …
- 1636 Ny fanambadiana eo amin’ny samy kristianina samihafa finoana, sy eo amin’ny kristianina sy tsy kristianina Amin’ny faritany maro, noho ny fifanakalozan-kevitra momba ny firaisam-pinoana, ireo ankohonana kristianina voakasika izany dia afaka nanangana ny pastôraly iombonana ho an’ny fanambadian’ny samy kristianina samihafa finoana . Ny lahasa sahaniny dia …
- 1637 Ny fanambadiana eo amin’ny samy kristianina samihafa finoana, sy eo amin’ny kristianina sy tsy kristianina Amin’ny fanambadian’ny tsy mitovy fivavahana, manana lahasa manokana ilay vady katôlika : “Satria ny lehilahy tsy mpino efa nahazo fanamasinana tamin’ny vadiny, ary ny vehivavy tsy mpino efa nahazo fanamasinana tamin’ny vadiny …
- 1638 IV.Ny vokatry ny sakramentan’ny Fanambadiana “Avy amin’ny fanambadiana vanona no teraka eo amin’ny mpivady ny fifamatorana araka ny toetrany voa-Janahary maha-mandrapahafaty sy maha-tokana azy ; afa-tsy izany, amin’ny fanambadiana kristianina, ankaherezina sy tena hamasinin’ ny sakramenta manokana …
- 1639 Ny fifamatorana ara-panambadiana Ny fanekena izay ifanoloran’ny mpivady ny tenan’izy ireo sy ifandraisan’ izy ireo dia nasian’ny Tenan’Izy Andriamanitra mihitsy tombo-kase [157] .Avy amin’ny fifaneken’izy ireo “no mipoitra ilay tokantrano, izay amafisin’ny lalànan’Andriamanitra, ary koa …
- 1640 Ny fifamatorana ara-panambadiana Noho izany, ny Tenan’Izy Andriamanitra mihitsy no nanorina ny fifamatorana ara-panambadiana , hany ka ny fanambadiana nifanarahana sy notontosaina eo amin’ny samy vita batemy dia tsy azo ravana na oviana na oviana. …
- 1641 Ny fahasoavana amin’ny sakramentan’ny Fanambadiana “Eo amin’ny lalam-piainan’izy ireo sy eo amin’ny laharana tandrify azy ireo, [ny mpivady kristianina] dia manana ny anjara fanomezana manokana ho azy ireo ao amin’ny Vahoakan’Andriamanitra” [161] Izany fahasoavana manokana amin’ny sakramentan’ny …
- 1642 Ny fahasoavana amin’ny sakramentan’ny Fanambadiana I Kristy no loharanon’io fahasoavana io . “Tahaka ny nanombohan’ Andriamanitra fahiny ny fanekem-pitiavana sy ny tsy fivadihana tamin’ny vahoakany, dia tahaka izany koa, ankehitriny, no ihaonan’ny Mpamonjy ny olombelona, Vadin’ny Fiangonana, …
- 1643 V. Ny soa sy ny takìn’ny fitiavan’ny mpivady “Ny fitiavan’ny mpivady dia ahitana ny fitambarana izay ao no iantombohan’ny singafototra rehetra maha-olona ny olona – antson’ny vatana sy ny tosi-kerim-panentana ao anaty, herin’ny fihetseham-po sy ny fiontanam-po, hetahetan’ny fanahy sy …
- 1644 Ny maha-tokana sy ny maha-tsy azo ravana ny fanambadiana Takìn’ny fitiavan’ny mpivady, araka ny toetrany voa-Janahary rahateo, ny maha-tokana sy ny maha-tsy azo ravana ny fiombonan’ny maha-olona azy ireo, izay manambatra ny fiainan’izy ireo manontolo : “Noho izany, tsy roa intsony …
- 1645 Ny maha-tokana sy ny maha-tsy azo ravana ny fanambadiana “Ny fitovian’ny fahamendrehan’ny olona tsirairay izay tsy maintsy fantarina eo amin’ny vehivavy sy eo amin’ny lehilahy ao anatin’ny fitiavana feno fatra izay ifanoloran’izy roa ny tenany dia mampiseho mazava ny maha-tokana ny …
- 1646 Ny tsy fivadihana amin’ny fitiavan’ny mpivady Takìn’ny fitiavan’ny mpivady amin’izy mpivady, araka ny toetrany voa-Janahary rahateo, ny tsy fivadihana tsy azo dikaina. Vokatry ny fanomezana ny tenan’izy ireo ihany izay ifanoloran’ny mpivady, io tsy fivadihana io. Tokony ho …
- 1647 Ny tsy fivadihana amin’ny fitiavan’ny mpivady Ny antony lalina indrindra dia hita eo amin’ny tsy fivadihan’ Andriamanitra amin’ny fanekem-pihavanany, sy tsy fivadihan’i Kristy amin’ny Fiangonany. Amin’ny alalan’ny sakramentan’ny fanambadiana ny mpivady dia nahazo fahefana ara-dalàna hampiseho izany tsy …
- 1648 Ny tsy fivadihana amin’ny fitiavan’ny mpivady Mety heverina fa sarotra, na tsy azo atao, ny mifatotra amin’ny olona iray mandritra ny fiainana manontolo. Tsy vitan’izany koa fa zava-dehibe ny mitory ny Evanjely fa tia antsika amin’ny fitia varo-maty …
- 1652 Ny famosahan-kevitra amin’ny fiterahana “Avy amin’ny toetrany voa-Janahary mihitsy no nandaharana ny fanorenan-tokantrano amin’ny fanambadiana sy ny fifankatiavan’ny mpivady ho amin’ny fiterahana sy ny fanabeazana, izay izany no tampony manamarika ny fahatontosany” [175] : Ny zanaka …
- 1653 Ny famosahan-kevitra amin’ny fiterahana Ny fahavokaran’ny fifankatiavan’ny mpivady dia mivelatra amin’ny vokatry ny fiainana ara-môraly, ara-panahy sy mihoatra ny natoraly, izay ampitain’ny ray aman-dreny amin’ny zanak’izy ireo amin’ny alalan’ny fanabeazana. Ny ray aman-dreny no mpanabe voalohany …
- 1654 Ny famosahan-kevitra amin’ny fiterahana Ireo mpivady izay tsy nomen’Andriamanitra zanaka kosa anefa dia afaka hanana fiainam-panambadiana feno, amin’ny lafiny toe-po sy fomba kristianina. Afaka hamirapiratan’ny fahavokaran’ny fitiava-namana, ny fandraisana olona ary ny fahafoizan-tena ny fanambadian’izy ireo.
- 1655 VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano Sitrak’i Kristy ny ho teraka sy hitombo teo anivon’ny Fianakaviana Masin’i Josefa sy Maria. Tsy hafa tsy akory ny Fiangonana fa ny “fianakavian’Andriamanitra”. Hatrany am-piandohany, ny antokon’olona tao amin’ny Fiangonana, dia matetika …
- 1656 VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano Amin’izao androntsika izao, eo amin’ny tontolo izay matetika miavaka sy manohitra ny finoana mihitsy aza, manana ny lanjany lehibe tokoa ny fianakaviana mpino, zary akanin’ny finoana velona sy misandrahaka. Izany no mahatonga …
- 1657 VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano Ao amin’ny fianakaviana izany, amin’ny fomba ahazoan-tsoa manokana, no iasan’ny maha-mpisorona avy amin’ny Batemy ny raim-pianakaviana, ny reny, ny zanaka, ny mpianakavy manontolo, “amin’ny alalan’ny fandraisana sakramenta, ny vavaka sy ny fisaorana, …
- 1658 VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano Mbola tokony hotsarovana koa ireo olona sasantsasany izay, noho ny toe-piainana tsy takona afenina tsy maintsy iainan’izy ireo – ary matetika tsy fidiny ho azy izany – manakaiky indrindra ny fon’i Jesoa …
- 1659 VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano Hoy i Md Paoly : “Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, toy ny nitiavan’i Kristy ny Fiangonana. (…) Misy mistery lehibe amin’io ; miantefa amin’i Kristy sy ny Fiangonana no tiako lazaina ” …
- 1660 VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano Ny fifanekem-panambadiana, izay anorenan’ny lehilahy iray sy vehivavy iray fiombonam-piainana amam-pifankatiavana lalina eo amin’izy roa, dia naorin’ny Mpahary sy nasiany ny lalànany manokana. Araka ny toetra voa-Janahary momba ny fifanekem-panambadiana dia nalahatra …
- 1661 VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano Manambara ny firaisan’i Kristy sy ny Fiangonana ny sakramentan’ny Fanambadiana. Manome ny mpivady ny fahasoavana hifankatia amin’ny fitiavana izay nitiavan’i Kristy ny Fiangonany izy ; araka izany, ny fahasoavan’ny sakramenta no mandavorary …
- 1662 VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano Miorina amin’ny fanekena ifanaovan’ny mpivady ny fanambadiana, izany hoe vokatry ny safidim-po hifanolo-tena sy ho varo-maty ao anatin’ny tarigetra hiaina ny fifanekem-pitiavana tsy mivadika sy hiteraka.
- 1663 VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano Noho ny fanambadiana mametraka ny mpivady amin’ny toe-piainana ampahibemaso ao amin’ny Fiangonana, dia tsara raha atao ampahibemaso ny fankalazana azy, ao anatin’ny fankalazana litorzika, eo anatrehan’ny Pretra (na vavolombelona notendren’ny Fiangonana), sy …
- 1664 VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano Ny maha-tokana, ny maha-tsy azo ravana ary ny fahalalahana hiteraka dia foto-javatra ilaina amin’ny fanambadiana. Ny fampirafesana dia tsy afa-miaraka amin’ny maha-tokana ny fanambadiana ; ny fisaraham-panambadiana dia mandrava ny nakamban’Andriamanitra ; …
- 1666 VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano Ny tokantrano kristianina no toerana andraisan’ny zanaka ny fanambaràna voalohany ny finoana. Izany no antony iantsoana marina ny tranom-pianakaviana hoe “ Fiangonana ao an-tokantrano ” , ankohonam-pahasoavana amam-bavaka, sekolin’ny hatsaram-panahy maha-olona sy …
- 2360 III. Ny fifankatiavan’ny mpivady Nalahatra ho amin’ny fifankatiavan’ny mpivady lehilahy sy vehivavy ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Manjary famantarana sy antoky ny fiombonam-panahy amin’ny fanambadiana ny firaisana ara-nofon’ny mpivady. Eo amin’ny samy vita batemy, ny fifamatoram-panambadiana …