VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano

Laharana 1661 amin’ny Katesizy

Manambara ny firaisan’i Kristy sy ny Fiangonana ny sakramentan’ny Fanambadiana. Manome ny mpivady ny fahasoavana hifankatia amin’ny fitiavana izay nitiavan’i Kristy ny Fiangonany izy ; araka izany, ny fahasoavan’ny sakramenta no mandavorary ny fitiavana maha-olombelona ny mpivady, manamafy orina ny firaisan’izy ireo tsy azo ravana ary manamasina azy ireo eny an-dalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay[187].

Loharano ôfisialy ↗