VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano

Laharana 1664 amin’ny Katesizy

Ny maha-tokana, ny maha-tsy azo ravana ary ny fahalalahana hiteraka  dia foto-javatra ilaina amin’ny fanambadiana. Ny fampirafesana dia tsy afa-miaraka amin’ny maha-tokana ny fanambadiana ; ny fisaraham-panambadiana dia mandrava ny nakamban’Andriamanitra ; ny fandavana hiteraka dia mampivaona ny fiainan’ny mpivady amin’ny “fanomezany tsara indrindra”, dia ny zanaka izany[188].

Loharano ôfisialy ↗