Ny famosahan-kevitra amin’ny fiterahana
Laharana 1653 amin’ny Katesizy
Ny fahavokaran’ny fifankatiavan’ny mpivady dia mivelatra amin’ny vokatry ny fiainana ara-môraly, ara-panahy sy mihoatra ny natoraly, izay ampitain’ny ray aman-dreny amin’ny zanak’izy ireo amin’ny alalan’ny fanabeazana. Ny ray aman-dreny no mpanabe voalohany sady lehibe indrindra ny zanak’izy ireo[177]. Araka izany lafin-kevitra izany, ny lahasa fototry ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia ny ho fanompoana amin’ny fiainana[178].