Ny fifamatorana ara-panambadiana
Laharana 1640 amin’ny Katesizy
Noho izany, ny Tenan’Izy Andriamanitra mihitsy no nanorina ny fifamatorana ara-panambadiana, hany ka ny fanambadiana nifanarahana sy notontosaina eo amin’ny samy vita batemy dia tsy azo ravana na oviana na oviana. Izany fifamatorana izany, izay vokatry ny asan’ olombelona malalaka eo amin’ny mpivady sy ny fanatanterahana ny fanambadiana, dia zava-misy tsy azo ovàna hatramin’izao sy iandohan’ny fanekem-pihavanana iantohan’ny tsy fivadihan’Andriamanitra. Tsy anjaran’ny fahefan’ny Fiangonana ny manapa-kevitra hanohitra izany fandaminan’ny fahendren’Andriamanitra izany[160].