Ny fifamatorana ara-panambadiana
Laharana 1639 amin’ny Katesizy
Ny fanekena izay ifanoloran’ny mpivady ny tenan’izy ireo sy ifandraisan’ izy ireo dia nasian’ny Tenan’Izy Andriamanitra mihitsy tombo-kase[157].Avy amin’ny fifaneken’izy ireo “no mipoitra ilay tokantrano, izay amafisin’ny lalànan’Andriamanitra, ary koa ankatoavin’ ny tany ama-monina”[158]. Ny fifaneken’ny mpivady dia tafiditra ho anisan’ny fanekem-pihavanan’ Andriamanitra sy ny olombelona : “Ny fifankatiavana tena izy eo amin’ny mpivady dia azony avy ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra”[159].