V. Ny soa sy ny takìn’ny fitiavan’ny mpivady

Laharana 1643 amin’ny Katesizy

“Ny fitiavan’ny mpivady dia ahitana ny fitambarana izay ao no iantombohan’ny singafototra rehetra maha-olona ny olona – antson’ny vatana sy ny tosi-kerim-panentana ao anaty, herin’ny fihetseham-po sy ny fiontanam-po, hetahetan’ny fanahy sy ny sitrapo - ; mikendry ny firaisana lalina maha-olona izy, ka, ankoatra ny firaisana ho nofo iray ihany, dia mitondra ho amin’ny fo iray sy fanahy iray ; mitaky ny tsy maha-azo ravana sy ny tsy fivadihana amin’ny fifanoloran-tena varo-maty izy ; ary misokatra ho amin’ny fiterahana. Ireo moa dia momba ny toetra manokana ara-dalàna amin’ny fitiavana voa-Janahary eo amin’ny mpivady rehetra, nefa koa misy heviny vaovao, izay tsy hoe manadio an’ireo na manamafy an’ireo fotsiny, fa manondrotra an’ireo mba hanjary fanehoana ny soatoavina tena kristianina”[166].

Loharano ôfisialy ↗