Ny apôstôlà
Laharana 863 amin’ny Katesizy
Apôstôlika ny Fiangonana manontolo noho izy maharitra ao anatin’ny fiombonam-pinoana amam-piainana hatramin’ny fiandohany, amin’ny alalan’ny dimbin’i Md Piera sy ny apôstôly. Apôstôlika ny Fiangonana manontolo noho izy “irahina” manerana an’izao tontolo izao ; ny rantsambatana rehetra ao amin’ny Fiangonana, na dia samihafa aza ny fomba, dia mandray anjara amin’izany fanirahana izany. “Ny fiantsoana kristianina dia midika koa amin’ny fomba aman-toetra maha-izy azy fa fiantsoana ho amin’ny apôstôlà.” Ny antsoina hoe “apôstôlà”, dia “ny raharaha rehetra ataon’ny Vatana mistika” izay miezaka “hanitatra ny fanjakan’i Kristy manerana ny tany”[373].