Ny apôstôlà
Laharana 869 amin’ny Katesizy
Apôstôlika ny Fiangonana : naorina eo ambonin’ny fototra maharitra izy : “ny apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanak’Ondry”[381] ; tsy mety rava izy[382]; maharitra amin’ny fahamarinana amin’ny tsy feteza-mandiso izy; i Kristy no mitondra azy amin’ny alalan’i Piera sy ireo apôstôly hafa, ary eo amin’ny dimbin’izy ireo, dia ny Papa sy ny fiombonam-piadidian’ireo Eveka.