Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
1021
I. Ny fitsaràna ny tsirairay manokana
Ny fahafatesana no mamarana ny fiainan’ny olombelona izay ho fanomboham-potoana andraisana na andavana ny fahasoavan’ Andriamanitra naseho tao amin’i Kristy [61] . Ny tena resahin’ny Testamenta Vaovao indrindra dia ny fitsaràna amin’ny …
→
-
1022
I. Ny fitsaràna ny tsirairay manokana
Ny olombelona tsirairay, raha vantany vao maty izy, dia mandray ao amin’ny fanahiny tsy mety maty, ny valy mandrakizay amin’ny nataony, manoloana ny fitsaràna manokana izay hijerena ny fiainany araka an’i Kristy, …
→
-
1023
II. Ny lanitra
Ireo izay maty ao anatin’ny fahasoavana sy ny fisakaizana amin’ Andriamanitra, ary voadio tanteraka, no velona mandrakizay miaraka amin’i Kristy. Mifanahaka mandrakizay amin’Andriamanitra izy ireo, satria mahita Azy “araka ny tena maha-Izy …
→
-
1024
II. Ny lanitra
Izany fiainana lavorary miaraka amin’ny Trinite Masina Indrindra izany, izany fiombonan’aina amam-pitiavana Aminy, miaraka amin’i Maria Virjiny sy ny anjely ary ny olon-tsambatra rehetra izany, no antsoina hoe “lanitra”. Ny lanitra no …
→
-
1025
II. Ny lanitra
Ny hoe miaina any an-danitra dia ny “mitoetra miaraka amin’i Kristy” [72] . Mivelona “ao Aminy” ny olom-pinidy, fa ao izy ireo no mitahiry sy mahita tsara tokoa ny tena maha-izy Azy, …
→
-
1026
II. Ny lanitra
Tamin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona i Jesoa-Kristy no “nanokatra” ny lanitra ho antsika. Ny fiainan’ny olon-tsambatra dia mifototra amin’ny fananana ny hafenoan’ny vokatry ny fanavotana notontosain’i Kristy izay manakambana …
→
-
1027
II. Ny lanitra
Izany misterin’ny fiombonam-pahasambarana miaraka amin’ Andriamanitra sy miaraka amin’izay rehetra ao amin’i Kristy izany, dia mihoatra noho izay rehetra azo heverina sy izay rehetra azo aseho. Sary an’ohatra maro no itenenan’ny Soratra …
→
-
1028
II. Ny lanitra
Noho ny fahamboniana tsy taka-polopolorina an’Andriamanitra, dia tsy mety ho hitan’ny maso amin’ny tena maha-Izy Azy Izy, raha tsy ny Tenany mihitsy no manokatra ny misteriny amin’ny fibanjinan’ny olombelona eo no eo …
→
-
1029
II. Ny lanitra
Ao amin’ny voninahitry ny lanitra, manohy manatanteraka amin-kafaliana ny sitrapon’Andriamanitra ny olon-tsambatra, raha ampitahaina amin’ny olombelona hafa sy amin’ny zavaboary manontolo. Efa manjaka miaraka amin’i Kristy izy ireo ; miaraka Aminy, “hanjaka …
→
-
1030
III. Ny fandiovana farany na Afofandiovana
Ireo izay maty ao anatin’ny fahasoavana sy ny fisakaizana amin’ Andriamanitra, kanefa tsy voadio tanteraka, na azo antoka aza ny famonjena mandrakizay ho azy ireo, dia mijaly amin’ny fandiovana aorian’ny fahafatesany izy …
→
-
1031
III. Ny fandiovana farany na Afofandiovana
Antsoin’ny Fiangonana hoe Afofandiovana izany fandiovana farany ireo olom-pinidy izany, izay tsy mitovy velively amin’ny famaizana ny olom-bery any amin’ny afobe. Nandrafitra tamin’ny rijan-teny ny fitambaram-pampianaram-pinoana momba ny Afofandiovana ny Fiangonana, indrindra …
→
-
1032
III. Ny fandiovana farany na Afofandiovana
Miankina koa amin’ny fanaovana vavaka ho an’ireo nodimandry izay efa nolazain’ny Soratra Masina, izany fampianarana izany : “Izany no nanaovany (i Jodasa Makabeo) an’izany sorona fanonerana izany ho an’ny maty, mba ho …
→
-
1033
IV. Ny afobe
Tsy afaka ho tafaray amin’Andriamanitra isika raha tsy misafidy amin-kalalahana ny ho tia Azy. Kanefa tsy afaka ho tia an’Andriamanitra isika raha manao fahotana lehibe Aminy, amin’ny namantsika na amin’ny tenantsika : …
→
-
1034
IV. Ny afobe
Miteny matetika momba ny “gehen’afo tsy mety maty” i Jesoa [85] , natokana ho an’ireo izay mandà hatramin’ny fara fiainan’izy ireo tsy hino sy tsy hibebaka, ary izay no mety hahavery ny …
→
-
1035
IV. Ny afobe
Ny fampianaran’ny Fiangonana dia manantitrantitra ny fisian’ny afobe sy ny maha-mandrakizay izany. Ny fanahin’ireo izay maty ao amin’ny toe-pahotana mahafaty dia midina eo no eo avy hatrany any amin’ny afobe aorian’ny fahafatesana, …
→
-
1036
IV. Ny afobe
Ny fanantitranteran’ny Soratra Masina sy ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny afobe, dia antso ho amin’ny adidy aman’andraikitra izay tsy maintsy ampiasan’ny olombelona ny fahafahany eo am-piatrehana ny anjara fiainany mandrakizay. Anisan’ny antso …
→
-
1037
IV. Ny afobe
Andriamanitra tsy nandahatra mialoha na iza na iza ho any amin’ny afobe [89] ; ny fankahalana an’Andriamanitra iniana atao (fahotana mahafaty), sy ny mikiry tsy hiala amin’izany hatramin’ny farany no mahatonga izany. …
→
-
1038
V. Ny Fitsaràna farany
Ny fananganan-ko velona ny maty rehetra, “ny marina sy ny mpanota” (Asa 24,15), no hialoha ny Fitsaràna farany. Amin’izany no ho “fotoana handrenesan’izay rehetra ao am-pasana ny feon’ny Zanak’olona, ka hivoaka tao …
→
-
1039
V. Ny Fitsaràna farany
Eo anatrehan’i Kristy Fahamarinana no hibaribary tanteraka ny marina momba ny fifandraisan’ny olombelona tsirairay amin’Andriamanitra [91] . Ny Fitsaràna farany no hampiseho, hatrany amin’ny vokany farany indrindra, amin’izay tsara nataon’ny tsirairay na …
→
-
1040
V. Ny Fitsaràna farany
Amin’ny fiverenan’i Kristy amim-boninahitra no hiseho ny Fitsaràna farany. Ny Ray ihany no mahalala ny ora sy ny andron’izany, Izy irery ihany no manapa-kevitra ny amin’ny fahatongavany. Amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy Zanany no …
→