I. Ny fitsaràna ny tsirairay manokana
Laharana 1022 amin’ny Katesizy
Ny olombelona tsirairay, raha vantany vao maty izy, dia mandray ao amin’ny fanahiny tsy mety maty, ny valy mandrakizay amin’ny nataony, manoloana ny fitsaràna manokana izay hijerena ny fiainany araka an’i Kristy, na amin’ny alalan’ny fandiovana[66], na hiditra eo no eo avy hatrany any amin’ny fahasambaran’ny lanitra[67], na mamery ny tenany eo no eo avy hatrany any amin’ny fahoriana mandrakizay[68].
Amin’ny faran’ny fiainantsika, ny fitiavana no hitsaràna antsika [69].