I. Ny fitsaràna ny tsirairay manokana

Laharana 1021 amin’ny Katesizy

Ny fahafatesana no mamarana ny fiainan’ny olombelona izay ho fanomboham-potoana andraisana na andavana ny fahasoavan’ Andriamanitra naseho tao amin’i Kristy[61].  Ny tena resahin’ny Testamenta Vaovao indrindra dia ny fitsaràna amin’ny endriky ny fihaonana farany amin’i Kristy amin’ny fiverenany fanindroany, nefa manantitrantitra imbetsaka koa izy ny amin’ny valin’ny natao omena eo no eo avy hatrany aorian’ny fahafatesan’ny tsirairay, arakaraka ny tsanganasany sy ny finoany. Ny fanoharana momba an’i Lazara mahantra[62] sy ny tenin’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana tamin’ilay jiolahy nivalo[63], toy izany koa ny lahatsoratra maro hafa ao amin’ny Testamenta Vaovao[64], dia miteny ny amin’ny anjara farany ho an’ny fanahy[65], izay mety tsy hitovy amin’ny an’ny sasany ny an’ny hafa.

Loharano ôfisialy ↗