III. Ny fandiovana farany na Afofandiovana

Laharana 1031 amin’ny Katesizy

Antsoin’ny Fiangonana hoe Afofandiovana izany fandiovana farany ireo olom-pinidy izany, izay tsy mitovy velively amin’ny famaizana ny olom-bery any amin’ny afobe. Nandrafitra tamin’ny rijan-teny ny fitambaram-pampianaram-pinoana momba ny Afofandiovana ny Fiangonana, indrindra tamin’ny Kônsily tao Florence[77] sy tao Trente[78]. Ny lovam-pampianaran’ny Fiangonana, izay manovo hevitra avy amin’ny lahatsoratra sasany ao amin’ ny Soratra Masina[79], dia miteny afo mpandio :

Noho ny fisian’ny fahadisoana kely sasantsasany, tsy maintsy mino fa misy afo mpandio alohan’ny fitsaràna, araka ny nolazain’Ilay Fahamarinana, amin’ny fitenenana fa ny olona izay hanao teny faniratsirana ny Fanahy Masina, dia tsy hahazo famelan-keloka, na  amin’ity  fiainana ity na amin’ny fiainana ho avy (Mt 12,32). Ao amin’ izany tenim-pitsaràna izany no ahafahantsika mahafantatra fa  ny fahadisoana sasantsasany dia mety ho voavela eto amin’ity fiainana ity, fa ny hafa sasantsasany dia any amin’ny fiainana ho avy[80].

Loharano ôfisialy ↗